bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Amos 1
Amos 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
1
Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.
2
Hoy i Hamôsa hoe: Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon’i Karmela.
3
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
4
«Handefasako afo ny lapan’i Hazaela mpanjaka, ka ho levon’izany koa ny trano-fiarovan’i Bena-Hadada mpanjaka.
5
Hopotehiko ny hidim-bavahadin’i Damasy; haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana; ary ny vahoakan’i Siria ho lasan-ko babo any Kira. Izaho Tompo no miteny.»
6
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Gazà, fa indrindra ity anankiray ity: nentiny ho babo avokoa ny iray tanàna manontolo mba hatolony ho an’ny Edômita. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
7
Handefasako afo ny tanànan’i Gazà ka ho levon’izany ireo lapany.
8
Dia haringako ny mponina ao Asdôda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelôna; ary hahodiko hamely an’i Hekrôna ny tanako ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.»
9
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.
10
Handefasako afo ny tanànan’i Tiro ka ho levon’izany ireo lapany.»
11
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
12
Handefasako afo ny tanànan’i Temàna ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Bôtserà.»
13
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
14
Handefasako afo ny tanànan’i Rabà ka ho levon’izany ireo lapany; sady hisy akoran’ady amin’ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.
15
Ho lasan-ko babo ilay mpanjakany sy ireo manamboninahitra miaraka aminy. Izaho Tompo no miteny.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9