bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Amos 7
Amos 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
1
Izao no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin’ny fiandohan’ny fitsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian’ny fijinjana vary ho an’ny mpanjaka.
2
Ary rehefa tapitra lanin’ny valala avokoa ny ahitra rehetra tamin’ny tany, dia hoy aho hoe: «Ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mba avelao re ny heloky ny vahoakanao! Fa fomba ahoana no hahajoroan’ny taranak’i Jakôba satria kely izy?»
3
Dia niova hevitra tokoa ny TOMPO ka dia IZY mihitsy no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»
4
Izao indray no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo ANDRIANANAHARY dia niantso ny afo hanatanteraka ny fitsarany; ka ny afo no nandritra ny ranobe any ambanin’ny tany sady nandoro ny tanin’i Israely.
5
Dia hoy aho hoe: «Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba atsaharo amin’izay re! Fa fomba ahoana no hahajoroan’ny taranak’i Jakôba satria kely izy?»
6
Ary niova hevitra tokoa ny TOMPO; ka dia Izy Tompo ANDRIANANAHARY no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»
7
Izao koa no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo mihitsy no nitsangana teo ambonina manda fira-potsy sady nitana fira-potsy teny an-tanany.
8
Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Fira-potsy. Dia hoy indray ny Tompo hoe: –Indro Aho hampiasa fira-potsy hamelezako eo afovoan’i Israely vahoakako, satria tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.
9
Fa hofoanako ireo toeram-panasinan ’ny taranak’i Itsehàka, horavako ireo toeram-pivavahan’i Israely, ary hitsangana Aho hamely ny taranak’i Jerôbohama amin’ny sabatra.
10
Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon’ny vahoakan’i Israely; tsy zakan’ny tany intsony ireo kabariny rehetra.
11
Fa izao manko no voalazan’i Hamôsa: Ho fatin’ny sabatra i Jerôbohama ary ny vahoakan’i Israely dia ho entina ho babo lavitra ny taniny.»
12
Dia hoy i Amatsià tamin’i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha- mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao.
13
Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»
14
Dia namaly an’i Amatsià i Hamôsa nanao hoe: –Tsy mba mpaminany na anisan’ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan’aviavy.
15
Saingy nalain’ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: «Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin’ny Israely vahoakako.»
16
Koa ankehitriny, henoy ny tenin’ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an’i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak’i Itsehàka»;
17
noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9