bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Amos 6
Amos 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
1
Lozanareo izay manorina fiadanana amin’i Tsiôna sy mitoky amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin’ilay firenena malaza indrindra ka hatonin’ny taranak’i Israely!
2
Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!
3
Mitady hampihemotra ny andron’ny loza ianareo nefa mampanatona ny fanjakan’ny herisetra;
4
mandrimandry eo ambony farafara miravaka ivoara ianareo ary mitsilailay eo ambony divà sady mihinana zanak’ondry avy tamin’ny andriany sy zanak’omby matavy.
5
Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo sy mamorona zava-maneno tahaka an’i Davida.
6
Misotro divay amin’ny kaopy lehibe ianareo sady manosotra ilomanitra ny lohanareo, fa tsy mba malahelo amin’ny fahavoazan’ny fokon’i Jôsefa.
7
Noho izany, ankehitriny dia ianareo no ho voalohany amin’izay ho lasan-ko babo ka hifarana hatreo ny korananareo mpanao filibàna.
8
Ny TOMPO efa mianiana amin’ny tenany; Ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: «Mahatsiravina Ahy ny avonavon’ny fanjakan’i Israely ary hàlako ireo lapany, ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria mbamin’izay rehetra ao anatiny.»
9
Koa raha mbola misy olona folo sisa ao amin’ny trano iray dia ho faty ao ireo.
10
Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: «Mbola misy ve miaraka aminao?» Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!» Ary hampiany hoe: «Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»
11
Eny, tandremo fa manome baiko ny TOMPO; dia ho montsamontsana ny trano vaventy ary ho samatsamaka ny trano madinika.
12
Moa mihazakazaka eny an-kisolasola-bato ve ny soavaly, ary moa ampihosena ranomasina ve ny omby, no dia navadikareo ho poizina ny rariny, ary ho zava-mangidy ny fanarahan-dalàna?
13
Mifaly amin’ny tanàna Lôdabara azonareo indray ianareo; dia milaza koa ianareo hoe: «Tsy tamin’ny herintsika ve no nakantsika ny tanàna Karnaîma?»
14
Kanefa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Indro Aho, ry taranak’i Israely, hanangana firenena hamely anareo, dia firenena hampahory anareo manomboka hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Harabà.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9