bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Amos 4
Amos 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 5 →
1
Ianareo andriambavilanitr’i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin’i Basàna, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin’ny vadinareo hoe: «Mitondrà hosotrointsika!»
2
Izany no ianianan’ny Tompo ANDRIANANAHARY hoe: «Noho ny fahamasinako dia manizingizina Aho, fa indro ho avy aminareo ny andro izay hitarihana amin’ny farango ny tenanareo sy ny mpanotrona anareo.
3
Ary eo amin’izay banga tandrify anareo avy no hivoahanareo ny tanàna, dia horoahina ho any Hermôna ianareo. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
4
Izao no teny hentitry Tompo ANDRIANANAHARY: «Mankanesa any Betela, ry taranak’i Israely, ka manotà ianareo; mankanesa any Gilgala, ka ampitomboy ny helokareo. Ento ny soronareo ny ampitson’ny ahatongavana, ary ny fahafolon-karenareo ny afakampitso.
5
Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.
6
Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary tao amin’ny tanànanareo rehetra, ary tsy fahampian-tsakafo tao amin’ny fonenanareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7
Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8
Nivembena nankao amin’ny tanàna iray ny mponina tamin’ny tanàna roa na telo mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9
Nasiako tamin’ny vary main’ny rivotra sy maty fotsy ianareo; nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo, nohanin’ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10
Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta; novonoiko ho faty tamin’ny sabatra ny zatovolahinareo, sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo ny hamaimbon’ny faty ao an-tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitry ny TOMPO izany.
11
Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin’ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12
Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely; ary rehefa izany no hataoko aminao, dia miomàna ianao hihaona amin’Andriamanitrao.»
13
Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9