bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hebrews 10
Hebrews 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
1
Tsy fanehoana ny tena izy tsy akory ny lalàna jiosy, fa tandindon’ny zava-tsoa ho avy. Tsy mahatanteraka velively ny olona manantena an’Andriamanitra ny lalàna jiosy, na dia naverimberina isan-taona hatrany hatrany aza ny fanolorana ireo sorona ireo.
2
Fa raha mba voadio tanteraka ho afaka tamin’ny otany tokoa ireo mpanao izany fanompoam-pivavahana izany, dia tsy hoenjehin’ny fieritreretany intsony, ka ho nitsahatra nanolotra sorona.
3
Ny asan’ireo sorona ireo dia ny mampahatsiaro ny olona isan-taona ny fahotany;
4
fa ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy dia tsy hanaisotra ny fahotana na oviana na oviana.
5
Noho izany, fony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe: «Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa tena no namboarinao ho Ahy;
6
tsy sitrakao ireo biby dorana eo amin’ny alitara sy ireo sorona ho fanalana ny ota,
7
ka hoy Aho hoe: ‹Intỳ aho, Andriamanitra ô, tonga hanao ny sitraponao›; fa izany no voasoratra momba Ahy, ao amin’ny horonambokin’ny lalàna.»
8
Voalohany indrindra dia hoy i Kristy: «Tsy nilainao sady tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, ary ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona ho fanalana ny ota»; kanefa ireo rehetra ireo dia natolotra araka ny lalàna avokoa.
9
Ary hoy koa Izy: «Intỳ aho, Andriamanitra ô, tonga hanao ny sitraponao.» Koa dia foanan’Andriamanitra ny sorona taloha rehetra ka soloany ny soron’i Kristy;
10
ary satria notontosain’i Jesoa Kristy ny sitrapon’Andriamanitra, dia voadio afaka tamin’ny fahotana isika noho ny nanoloran’i Jesoa Kristy indray mandeha monja ny tenany.
11
Ny mpisorona rehetra dia samy nijoro isan’andro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra matetika ny sorona fanaony, izay sorona tsy mahaisotra ny fahotana velively.
12
Fa i Kristy kosa dia nanolotra sorona fanalana ny ota indray mandeha monja ho sorona manan-kery mandrakizay, ary efa mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra;
13
ka dia eo Izy ankehitriny miandry ny hanaovan’Andriamanitra ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14
Eny, i Kristy no nandavorary mandrakizay, tamin’ny fanatitra iray ihany, ireo olona efa nodioviny ho afaka amin’ny ota.
15
Ary ambaran’ny Fanahy Masina amintsika koa izany, fa hoy Izy aloha hoe:
16
«Izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoaka Israely rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako, ary hosoratako ao am-pony.»
17
Ary hoy koa ny Fanahy Masina hoe: «Tsy hotsarovako intsony ny fahotany sy ny helony.»
18
Ka rehefa voavela ny fahotana sy ny heloka, dia tsy misy ilana fanatitra ho fanalana izany intsony.
19
Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa.
20
Nanokafany lalana vaovao mitondra amin’ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin’ny efitra lamba, izany hoe eo amin’ny tenan’i Jesoa.
21
Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika;
22
koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.
23
Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.
24
Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.
25
Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.
26
Satria efa nandray ny fahalalana tsara ny fampianarana marim-pototra isika no mbola minia manota ihany, dia tsy misy sorona ho afa-manala ny ota intsony;
27
fa ny andrasantsika amin-tahotra dia ilay andro fitsarana sy ny afo midedadeda handevona ny fahavalon’Andriamanitra.
28
Izay mandika ny lalànan ’i Mosesy dia vonoina tsy asiana indrafo, rehefa hita fa meloka araka ny tenin’ny vavolombelona roa na telo.
29
Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?
30
Eny, fantatsika Ilay niteny hoe: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly», ary niteny koa hoe: «Ny Tompo no hitsara ny vahoakany.»
31
Zavatra mahatahotra izany ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona!
32
Tsarovy ny nanjo anareo tamin’ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain’Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa:
33
novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an’ireo natao toy izany koa indraindray;
34
niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.
35
Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany.
36
Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy.
37
Fa hoy ny Soratra Masina: «Kely foana sisa dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy, fa tsy hitaredretra.
38
Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»
39
Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13