bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hebrews 5
Hebrews 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
1
Fa ny mpisorombe rehetra dia alaina amin’ny olona, ka tendrena ho solotenan’ny olona eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Natao hanolotra fanatitra izy ary koa natao hanolotra sorona ho fanalana ny fahotana.
2
Mahay mitondra mora ireo tsy mahalala sy maniasia izy, satria na ny tenany aza dia mba hodidinin’ny fahalemena koa.
3
Noho izany fahalemen’ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an’ny tenany koa, toy ny ataony ho an’ny vahoaka.
4
Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.
5
Dia toy izany koa i Kristy: tsy Izy no nanome voninahitra ny tenany ho tonga Mpisorombe, fa ilay Andriamanitra nilaza taminy hoe: « Zanako Ianao, Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
6
Izany koa dia araka ny teny hafa nataon’Andriamanitra hoe: «Ianao no Mpisorona mandrakizay, araka ny fomban’i Melkitsedeka!»
7
I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.
8
Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin’ny fijaliana niaretany.
9
Nony efa tonga amin’izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manoa Azy,
10
ary dia nambaran’Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban’i Melkitsedeka.
11
Manan-kolazaina betsaka izahay ny amin’izany, saingy sarotra hazavaina aminareo satria votsa fandray zavatra ianareo.
12
Raha izay ela izay, dia tokony ho efa mpampianatra ianareo, kanefa dia mbola mila hampianarina indray ny abidim-pahalalana momba ireo tenin’Andriamanitra. Ronono no mbola ilainareo, fa tsy ventin-kanina.
13
Fa izay rehetra mivelona amin-dronono dia zaza ihany, ka tsy mbola mahatsapa ny zavatra diso sy marina.
14
Fa ho an’ny olon-dehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ireo efa zatra nampiasa ny sainy hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13