bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hebrews 11
Hebrews 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
1
Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita.
2
Izany finoana izany manko no vavolombelon’ny mahatsara laza ny ntaolo.
3
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao; koa izao hita maso izao dia natao avy amin’ny tsy hita maso.
4
Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona tsara noho ny an’i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.
5
Finoana no nahatafafindra an’i Henôka ho eo akaikin’Andriamanitra, ka tsy mba niharan’ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an’i Henôka intsony, noho izy nafindran’Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak’Andriamanitra i Henôka talohan’ny namindrany azy.
6
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.
7
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.
8
Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9
Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany.
10
Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin’izany sady nanao azy.
11
Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.
12
Olona efa naman’ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin’izany lehilahy anankiray izany no niavian’ny taranaka maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.
13
Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.
14
Ireo olona miteny toy izany dia mampiharihary fa mitady izay ho tanindrazany.
15
Ka raha ny tany nialany no nahamanina azy, dia mbola nahita fotoana hiverenana any izy;
16
saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.
17
Finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Itsehàka ho sorona, fony i Abrahama nozahan’Andriamanitra toetra. Kanefa nivonon-kanao sorona ny zanany lahitokana i Abrahama, dia izy nanaovan’Andriamanitra teny fampanantenana
18
sy nilazany hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.»
19
Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.
20
Finoana no nitsòfan’i Itsehàka rano an-dry i Jakôba sy i Hesao, nitsinjovany ny hoavin’izy roa lahy.
21
Nony efa ho faty i Jakôba, dia finoana no nitsòfany rano tsirairay ny zanakalahin’i Jôsefa; ka niankina tamin’ny lohatehiny i Jakôba no nivavaka tamin’Andriamanitra.
22
Finoana no nilazan’i Jôsefa teo amin’ny faramparan’ny fiainany fa hiala tany Ejipta ny Israelita ary koa nanafatrafarany momba ny taolambalony.
23
Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon’ny mpanjaka.
24
Finoana no nandavan’i Mosesy hantsoina hoe zanak’ilay zanakavavin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, nony efa lehibe izy;
25
fa naleony niara-nampahorîna tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly amim-pahotana mandritra ny fotoana fohifohy.
26
Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.
27
Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.
28
Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.
29
Finoana no nitan’ireo Israelita ny Ranomasina Mena toy ny nandia tany maina; fa nony mba nanandrana nanao toy izany ireo Ejiptianina, dia voatelin’ny rano.
30
Finoana no nampirodana ny mandan’i Jerikao, nony efa nohodidinin’ny Israelita nandritra ny fito andro.
31
Finoana no tsy nahafaty an’i Rahaba vehivavy janga, tsy nahafaty azy niaraka tamin’ireo tsy nanaiky an’Andriamanitra satria noraisiny tamim-pitiavana ireo mpitsikilo.
32
Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.
33
Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,
34
namono ny afo midedadeda, tokony ho voan’ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an’ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa.
35
Noho ny finoana no nandraisam-behivavy ny zanany maty voatsangana ho velona indray. Ny sasany nampijalijalîna ho faty nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hitsanganany ho velona aina tsara lavitra;
36
ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja.
37
Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana.
38
Tsy mendrika hitoerany akory izao tontolo izao, ka nanjenjena tany an-taniefitra sy tany an-tendrombohitra ireo ary nonina tanaty zohy sy tanaty lavaka.
39
Ireo olona rehetra ireo dia ny finoany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy; kanefa, na dia izany aza, dia tsy mbola azon’ireo ny nampanantenaina azy.
40
Fa Andriamanitra efa nanamboatra zavatra tsara lavitra ho antsika, mba tsy ho tonga amin’ny tanjona natao hiafarana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13