bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hebrews 6
Hebrews 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
1
Noho izany, aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana momba an’i Kristy, fa aoka isika handroso amin’ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe. Tsy hoe fanorenana indray no hataontsika: dia ny tokony hialana amin’ireo asa mitondra fahafatesana sy ny tokony hinoana an’Andriamanitra,
2
ny fampianarana momba ny batisa samihafa sy ny fametrahan-tanana ary momba ny fitsanganan’ny maty ho velona sy ny fitsarana mandrakizay.
3
Fa ny mandroso amin’ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe, izany no hataontsika raha avelan’Andriamanitra.
4
Ahoana kosa ny amin’ireo niverina tamin’ny toe-dratsy? Efa nohazavain’Andriamanitra indray mandeha ireo, efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra ary efa nandray anjara tamin’ny Fanahy Masina,
5
efa nahatsapa fa tsara ny tenin’Andriamanitra ary efa nahatsapa ny asa mahagaga vokatry ny fiainana ho avy,
6
kanefa dia niverina tamin’ny toe-dratsy. Tsy azo havaozina indray ireo mba hiala amin’ny toetra ratsiny, satria manombo ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny hazofijaliana indray sady manolotra Azy halàm-baràka.
7
Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an’ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra.
8
Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan’ny ozon’Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.
9
Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo.
10
Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.
11
Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin’ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo.
12
Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin’ny soa nampanantenain’Andriamanitra.
13
Ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nombàm-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan’Andriamanitra, dia nianiana tamin’ny tenany Izy
14
ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.»
15
Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra azy.
16
Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana.
17
Sitrak’Andriamanitra hiharihary tsara kokoa tamin’ireto natao handova ny soa nampanantenainy, fa tsy miova ny fikasany; ka dia notovonany fianianana ny fampanantenana nataony:
18
ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.
19
Toy ny vatofantsiky ny aintsika izany fanantenana izany ho antsika, fanantenana azo antoka sy mafy ary mamaky ny efitra lamban’ilay tempoly any an-danitra ka miditra hatrany anatin’ny Toeramasina Indrindra.
20
Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13