bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Romans 13
Romans 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa.
2
Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany.
3
Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana.
4
Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy.
5
Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.
6
Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io.
7
Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.
8
Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna.
9
Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»
10
Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.
11
Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika.
12
Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava.
13
Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana.
14
Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16