bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Romans 16
Romans 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Anafatrafarako anareo fa i Feba havantsika, diakôni n’ny Fiangonana any Senkrea.
2
Noho ianareo tafaray amin’ny Tompo, dia raiso tsara izy araka izay mendrika ny samy vahoakan’Andriamanitra, ary ampio amin’izay raharaha ilàny anareo; fa izy rahateo dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako manokana aza.
3
Veloma any amin-dry i Prisila sy i Akoilà, mpiara-miasa tamiko teo amin’ny fanompoana an’i Kristy Jesoa.
4
Nanao vy very ny ainy hamonjena ahy izy mivady, ary tsy izaho ihany no misaotra azy roa fa ny Fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.
5
Veloma any amin’ny Fiangonana mivory ao an-tranony. Veloma any amin’i Epeneto malalako, izay kristianina voalohany tany Azia.
6
Veloma any amin’i Maria izay nisahirana fatratra ho anareo.
7
Veloma any amin-dry i Andrônìka sy i Jonià havako niara-nigadra tamiko, izay sady tsara laza eo amin’ireo apôstôly no tonga kristianina talohako aza.
8
Veloma any amin’i Ampliato malalako, izay tafaray amin’ny Tompo.
9
Veloma any amin’i Orbano, mpiara-miasa taminay teo amin’ny fanompoana an’i Kristy, ary koa any amin’i Staky malalako.
10
Veloma any amin’i Apelà, mpiasa azo antoka amin’ny fanompoana an’i Kristy. Veloma any amin’ny ankohonan’i Aristôbola.
11
Veloma any amin’i Herôdiôna havako. Veloma any amin’ireo tafaray amin’ny Tompo ao amin’ny ankohonan’i Narsisy.
12
Veloma any amin-dry i Trifèna sy i Trifôsa izay misahirana ho an’ny Tompo. Veloma any amin’i Persida malala izay nisahirana fatratra ho an’ny Tompo.
13
Veloma any amin’i Rofosy, izay namiratra tokoa tamin’ny fanompoana ny Tompo, ary any amin’ny reniny izay reny ho ahy koa.
14
Veloma any amin’i Asinkrito, i Flegôna, i Hermesy, i Patrôba, i Hermà, mbamin’ny havana mpino miaraka amin’izy ireo.
15
Veloma any amin’i Filôlôgo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny, ary i Ôlimpà, mbamin’izay rehetra vahoakan’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo.
16
Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana. Manao veloma anareo avokoa ny Fiangonan’i Kristy.
17
Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin’ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny.
18
Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.
19
Efa malaza amin’ny olona rehetra manko fa manaiky an’i Kristy ianareo; ary faly aminareo aho, ka ny irîko ho toetranareo dia izao: ho kinga raha ny amin’ny tsara ary tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy.
20
Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an’i Satàna eo ambany tongotrareo! Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompontsika!
21
Manao veloma anareo i Timôty mpiara-miasa amiko; manao veloma anareo i Losio sy i Jasôna ary i Sôsipatera izay samy havako.
22
Noho isika tafaray amin’ny Tompo, izaho Tersy izay nanao an-tsoratra ity taratasy ity dia manao veloma anareo.
23
Manao veloma anareo i Gaio, ilay mampiantrano ahy sady ivorian’ny Fiangonana manontolo. Manao veloma anareo i Erasta mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna; ary manao veloma anareo i Koarta havantsika. [
24
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.]
25
Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra torîko momba an’i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin’Izy Andriamanitra.
26
Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.
27
Eny, ho an’Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16