bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Romans 14
Romans 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
1
Raiso ny malemy finoana, fa aza melohina ny heviny.
2
Misy manana finoana matotra ka mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana ka tsy mihinana afa-tsy zavamaniry.
3
Izay mihinana ny zavatra rehetra, aoka tsy hanamavo izay mifady ny sasany; ary izay mifady kosa, aoka tsy hanameloka izay mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
4
Fa iza moa ianao no manameloka ny mpanompon’olon-kafa? Na mijoro izy na lavo, dia raharahan’ny tompony ihany izany. Hijoro anefa izy satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
5
Misy indray manavakavaka ny andro, misy kosa manao ny andro rehetra ho mitovy: aoka samy hatoky tsara ny ao amin’ny sainy avy.
6
Izay mitandrina ny andro, dia ho an’ny Tompo no itandremany izany; izay mihinana, dia ho an’ny Tompo no ihinanany, satria misaotra an’Andriamanitra koa izy.
7
Fa tsy misy amintsika velon-ko an’ny tenany ary tsy misy maty ho an’ny tenany.
8
Eny, velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; maty isika, dia maty ho an’ny Tompo: koa na velona isika na maty, dia mbola an’ny Tompo ihany.
9
Satria maty i Kristy dia velona indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona.
10
Ianao kosa, nahoana no melohinao ny namanao? Ary ianao, nahoana no hamavoinao ny namanao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra,
11
satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, dia handohalika eo anatrehako ny olombelona rehetra ary hiloa-bava avokoa hiaiky Ahy ho Andriamanitra!»
12
Noho izany, dia samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenantsika avy isika.
13
Aoka mba tsy hifampitsara intsony àry isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin’ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin’ny fahotana.
14
Tafaray amin’i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto fotsiny amin’izao, fa izay heverin’ny olona ho maloto no maloto aminy.
15
Raha miteraka alahelo ho an’ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin’ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy.
16
Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao.
17
Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn’Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina.
18
Ka izay manompo an’i Kristy araka izany no sitrak’Andriamanitra sady ankatoavin’ny olombelona.
19
Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin’izay ifanampiantsika hiorina amin’ny finoana;
20
fa aza izay sakafo no handravanao ny asan’Andriamanitra. Eny, madio ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin’ny ratsy izany.
21
Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin’ny ratsy.
22
Tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin’ny eritreriny amin’ny zavatra ankatoaviny.
23
Fa izay miahanahana dia melohin’Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16