bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Romans 3
Romans 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
1
Misy tombony àry ve ny maha Jiosy? Misy mahasoa ve ny famorana?
2
Eny, misy maro tokoa amin’ny lafiny rehetra. Voalohany, ry zareo Jiosy no nanankinan’Andriamanitra ny teny izay nambàrany.
3
Fa ahoana kosa ny amin’izay tsy nahatoky tamin’ireo Jiosy ireo? Noho ireny tsy nahatoky ireny ve no hampiova an’Andriamanitra ka hahatonga an’Andriamanitra ho tsy mahatoky?
4
Sanatria! Fa tsy maintsy azo antoka Andriamanitra na dia mpandainga avokoa aza ny olona, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Hoekena ho marina Ianao raha miteny, ary handresy lahatra raha alaina am-bava!»
5
Koa raha asehon’ny tsy rariny vitantsika fa marina Andriamanitra, inona no holazaintsika? Zavatra tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra raha ampihariny amintsika ny hatezerany? (Araka ny fiheveran’ny besinimaro no itenenako).
6
Sanatria izany! Fa raha zavatra tsy rariny no ampiharin’Andriamanitra, hataony ahoana no fitsara an’izao tontolo izao?
7
Raha ohatra kosa ny laingako no vao mainka maneho an’Andriamanitra ho azo antoka sy mampitombo ny voninahiny, nahoana no mbola melohina ho mpanota aho?
8
Ary ahoana no tsy ahazoana manao hoe: «Ndeha hanao ratsy hiavian’ny soa»? Misy tokoa manendrikendrika ahy ho mpilaza izany; mendrika hohelohina ireo olona ireo!
9
Ahoana àry? Manan-tombony amin’ny hafa firenena tokoa ve isika Jiosy? Tsia dia tsia! Efa voalazako fa samy eo ambany fahefan’ny fahotana avokoa na Jiosy na hafa firenena,
10
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza;
11
tsy misy manam-pahalalana; tsy misy mitady an’Andriamanitra.
12
Be siasia avokoa izy rehetra ary samy tsy misy antony; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.»
13
«Fasana misokatra ny tendany: entiny mamitaka ny lelany.» «Poizina menarana ny teniny»;
14
«ozona sy teny mangidy no mameno ny vavany!»
15
«Mailaka erỳ izy raha ndeha handatsaka aina,
16
ka mandrava sy mampahory amin’izay alehany;
17
ny lalana mitondra amin’ny fiadanana tsy fantany!»
18
«Ny tahotra an’Andriamanitra, tsy ananany mihitsy!»
19
Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.
20
Koa tsy misy olombelona hoeken’Andriamanitra ho marina, noho izy manatanteraka ny lalàna; fa ny lalàna dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe nanota izy.
21
Ankehitriny kosa dia efa nahariharin’Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin’ny lalàna velively izany. Ny lalànan’i Mosesy mbamin’ireo bokin’ny mpaminany rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara
22
fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.
23
Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra.
24
Kanefa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin’ny alalan’ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
25
Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra
26
ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin’izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin’ny finoana niainan’i Jesoa!
27
Koa misy antony hireharehan’ny olona ve? Efa nofoanana izany. Satria nahoana? Noho ny olona manatanteraka ny lalàna ve? Tsia, fa noho ny olona manam-pinoana.
28
Miaiky manko isika fa ny olona manam-pinoana no eken’Andriamanitra ho marina, fa tsy izay manatanteraka ny lalàna.
29
Sa Andriamanitry ny Jiosy ihany ve Andriamanitra? Moa tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve? Eny, Andriamanitry ny hafa firenena koa Izy,
30
satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa.
31
Moa ve manafoana ny lalàna amin’ny alalan’ny finoana isika amin’izany? Sanatria! Vao mainka koa aza manamafy orina ny lalàna!
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16