bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Thessalonians 2
1 Thessalonians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo.
2
Fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipia izahay teo aloha, araka ny fantatrareo ihany, dia nomen’Andriamanitray fahasahiana izahay hiteny taminareo ny Filazantsaran’Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3
Ary ny fananaranay dia tsy avy amin’ny fitaka na avy amin’ny fahalotoana na avy amin’ny fisolokiana.
4
Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay ka nanolorana anay ny Filazantsara ho adidinay dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
5
Fa tsy nilaza teny mandrobo na oviana na oviana akory izahay; araka ny fantatrareo ihany na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelona amin’izany;
6
ary tsy nitady voninahitra tamin’olona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa, na dia nanana fahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay maha apostolin’i Kristy anay.
7
Fa nalemy fanahy teo aminareo, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8
dia toy izany no nampahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, dia ny hanome ho anareo, tsy ny Filazantsaran’Andriamanitra ihany fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9
Tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’alina izahay mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory aza taminareo, raha nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo.
10
Samy vavolombelona ianareo sy Andriamanitra fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino.
11
Fantatrareo koa fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo tsirairay avy sy nananaranay mafy anareo
12
mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
13
Noho izany, izahay koa, dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo izay mino koa.
14
Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy;
15
ny Jiosy izay sady namono an’i Jesosy Tompo sy ny mpaminany no nandroaka anay sy tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra fa manohitra ny olona rehetra.
16
Mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentilisa ny Jiosy mba hamonjena ny olona hafa firenena. Ary amin’izany izy dia tsy mitsahatra manampy trotraka ny fahotan’ny tenany. Farany anefa dia nahatratra azy ny fahatezerana.
17
Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin’ny fanatreha-maso fa tsy tamin’ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18
Koa naniry hankany aminareo indray mandeha na indroa izahay, dia izaho Paoly, nefa nosakanan’i Satana izahay.
19
Fa inona moa no fanantenanay na fifalianay na satroboninahitra reharehanay? Moa va tsy ianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fiaviany?
20
Eny, ianareo no voninahitray sy fifalianay.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5