bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Thessalonians 3
1 Thessalonians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Ary tamin’izany, rehefa tsy aritray intsony, dia nataonay fa mety ny hijanona irery tany Atena
2
ka nirahinay i Timoty, rahalahinay sady mpanompon’Andriamanitra amin’ny Filazantsaran’i Kristy, mba hampahery sy hampirisika anareo amin’ny finoanareo,
3
mba tsy hisy ho taitra amin’izao fahoriana izao; fa ny tenanareo dia mahalala fa ho amin’izao no nanendrena antsika.
4
Fa fony teo aminareo aza izahay dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika; dia izany tokoa no nitranga sady fantatrareo fa ho izay.
5
Noho izany koa, rehefa tsy naharitra intsony aho, dia nandefa iraka mba hahafantarako ny finoanareo, fandrao naka fanahy anareo ny mpaka fanahy ka ho foana izay nikelezanay aina.
6
Izao anefa dia tonga atỳ aminay i Timoty, rehefa avy tany aminareo ka milaza vaovao mahafaly aminay ny amin’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovanareo tsara anay mandrakariva, fa maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay ta hahita anareo koa.
7
Noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin’ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
8
fa velona izahay ankehitriny raha mitoetra tsara ao amin’ny Tompo ianareo.
9
Fa inona no saotra azonay havaly an’Andriamanitra noho ny fifalianay rehetra noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitray?
10
Mangataka fatratra andro aman’alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka izay tsy ampy amin’ny finoanareo izahay.
11
Handamina ny lalanay ho atỳ aminareo anie Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Tompontsika.
12
Ary hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra anie ny Tompo, dia tahaka ny itiavanay anareo koa
13
mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fiavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5