bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Thessalonians 4
1 Thessalonians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
1
Farany, ry rahalahy, dia mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka izay nampianarinay anareo no fandehananareo, mba hankasitrahan’Andriamanitra; koa arakaraka ny andehananareo ihany no hitomboanareo bebe kokoa.
2
Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo.
3
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana;
4
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,
5
tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
6
aoka tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany raharaha izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo ihany.
7
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
8
Koa izay mandà dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
9
Fa ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy dia tsy misy tokony hosoratako aminareo satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.
10
Fa manao izany ihany ianareo amin’ny rahalahy rehetra manerana an’i Makedonia. Nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa ianareo,
11
ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tananareo araka izay nandidianay anareo,
12
mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany ka tsy hiankina na amin’iza na amin’iza ianareo.
13
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay efa nodimandry mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy.
15
Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: Isika, izay velona ka mbola ho eo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory.
16
Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
17
ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
18
Koa dia mifampionòna ianareo amin’ireo teny ireo.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5