bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Thessalonians 5
1 Thessalonians 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo
2
satria mahalala marimarina ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
3
Raha misy olona milaza hoe: Miadana sy mandry fehizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4
Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5
Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika.
6
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
7
Fa izay matory dia matory amin’ny alina ary izay mamo dia mamo amin’ny alina.
8
Fa satria an’ny andro isika dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika,
10
izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona Aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11
Koa mifampahereza sy mifananara, tahaka ny ataonareo ihany.
12
Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy ireo mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary ireo mananatra anareo.
13
Aoka mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara ianareo.
14
Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy: Anaro izay tsy mitoetra tsara, omeo toky ny saro-tahotra, ampaherezo ny reraka, mandefera amin’ny olona rehetra.
15
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
16
Mifalia mandrakariva.
17
Mivavaha ka aza mitsahatra.
18
Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
19
Aza mamono ny Fanahy.
20
Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21
Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22
Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23
Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
24
Mahatoky izay miantso anareo sady Izy ihany no hanatanteraka izany.
25
Ry rahalahy, mivavaha koa ho anay.
26
Ataovy veloma amin’ny fanorohana masina ny rahalahy rehetra.
27
Mampianiana anareo amin’ny Tompo aho mba hovakina amin’ny rahalahy masina rehetra ity epistily ity.
28
Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5