bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Galatians 2
Galatians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
1
Nony afaka efatra amby folo taona dia niakatra tany Jerosalema indray izahay sy i Barnabasy; nentiko niaraka tamiko koa i Titosy.
2
Niakatra araka ny fanambaràna aho ka novelabelariko taminy ny Filazantsara izay toriko any amin’ny Jentilisa, fa tamin’ny mangingina ihany teo amin’izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3
Kanefa i Titosy izay niaraka tamiko, na dia Grika aza, dia tsy mba noterena hoforana,
4
noho ny rahalahy sandoka niditra an-tsokosoko, izay nisoko mangina hitsikilo ny fahafahantsika izay ananantsika ao amin’i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
5
tsy nety nanaiky ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Filazantsara ho anareo.
6
Fa ny amin’ny olona izay heverina ho manan-daza indray, na nanao ahoana na nanao ahoana izy, dia tsy mampaninona ahy satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Tsy nomen’ireo saina na tamin’inona na tamin’inona aho.
7
Hafa kosa no nataony nony hitany fa notolorana ny Filazantsara ho adidiko ho an’ny tsy voafora aho, tahaka an’i Petera ho an’ny voafora;
8
fa Izay niasa tao amin’i Petera ka nahatonga azy ho apostoly ho an’ny voafora no niasa tao amiko koa ho an’ny Jentilisa.
9
Ary nony fantatr’i Jakoba sy i Kefasy ary i Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana havanana ho mariky ny fiombonana izahay sy i Barnabasy mba hankany amin’ny Jentilisa, fa izy kosa dia ho any amin’ny voafora.
10
Izao ihany no tokony hataonay: Hahatsiaro ny mahantra; nampahazoto ahy rahateo ny hanao izany.
11
Nony tonga tany Antiokia anefa i Kefasy dia nanohitra azy teo imasony aho satria hita fa nanan-tsiny izy.
12
Niara-nisakafo tamin’ny Jentilisa ihany mantsy izy fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba. Raha vao tonga anefa ireo dia nihatakataka izy satria natahotra ireo voafora.
13
Niara-nihatsaravelatsihy taminy koa ny Jiosy sasany ka i Barnabasy avy aza dia mba voataonan’ny fihatsarambelatsihiny.
14
Rehefa hitako anefa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Filazantsara ireo dia hoy aho tamin’i Kefasy, teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny Jentilisa fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana moa ny Jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?
15
Taranaka Jiosy isika, fa tsy mba avy amin’ny Jentilisa mpanota,
16
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika. Amin’izany mantsy dia hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy isika fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.
17
Raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa isika koa aza dia hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18
Raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray dia mahatsiaro tena ho diso aho.
19
Tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Voahombo niaraka tamin’i Kristy tamin’ny hazofijaliana aho,
20
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
21
Tsy manafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6