bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Galatians 5
Galatians 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
1
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
2
Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3
Ambarako marina amin’ny olona rehetra manaiky hoforana indray fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4
Tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna. Efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo;
5
fa izahay kosa, noho ny asan’ny Fanahy, amin’ny alalan’ny finoana no iandrasanay mafy ny fanantenana ny fanamarinana anay.
6
Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana fa ny finoana miasa amin’ny fitiavana.
7
Nihazakazaka tsara ianareo. Iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8
Tsy avy tamin’Ilay niantso anareo izany fandresen-dahatra izany.
9
Ny masirasira kely dia mampitombo ny koba manontolo.
10
Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho, fa tsy hisaina zavatra hafa noho izay sainiko ianareo. Ilay mampikorontana anareo no hiharan’ny fanamelohana, na iza izy na iza.
11
Fa raha mbola hitory ny famorana ihany aho, ry rahalahy, inona indray no mbola hanenjehana ahy? Raha izany dia ho foana ny fahatafintohinana noho ny hazofijaliana.
12
Enga anie ka hanamelo-tena izay mampikorontana anareo.
13
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
14
fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
15
Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, aoka tsy hifandringana!
16
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
17
Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
18
Raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
19
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
21
fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
22
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
23
fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
24
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
25
Raha velona amin’ny Fanahy isika dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26
Aoka isika tsy hieboebo foana ka hifampihantsy sy hifampialona.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6