bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Galatians 4
Galatians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
1
Fa hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova dia tsy hafa noho ny andevo izy na dia tompon’ny zavatra rehetra aza,
2
satria fehezin’ny mpitaiza azy sy mpitantana ao an-trano izy mandra-pahatongan’ny fotoana voatendrin’ny rainy.
3
Tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao;
4
fa rehefa tonga kosa ny fotoanandro dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna,
5
hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny maha zanaka.
6
Koa satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe: Aba! Ray ô!
7
Koa tsy andevo intsony ianao fa zanaka; ary raha zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.
8
Taloha, fony mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ianareo dia nanompo izay andriamanitra tsy izy.
9
Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany?
10
Andro, volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12
Ry rahalahy! Mangataka aminareo aho: Aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho koa dia efa tonga tahaka anareo. Tsy hoe nanao izay tsy marina tamiko akory ianareo;
13
fantatrareo aza fa noho ny aretina no nitoriako ny Filazantsara taminareo tamin’ilay voalohany.
14
Tsy nalaim-panahy hanao tsinontsinona na handa ahy noho ny aretiko ianareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’Andriamanitra; eny, tahaka an’i Kristy Jesosy aza.
15
Aiza izao ilay fahasambaranareo? Satria vavolombelonareo aho fa raha azonareo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16
Efa tonga fahavalonareo va aho satria milaza ny marina aminareo?
17
Ny hafanam-po nasehon’ireo taminareo dia tsy tsara; fa hampisaraka anareo aminay izy mba hiraiketan’ny fonareo aminy.
18
Fa tsara raha mazoto amin’ny tsara mandrakariva, fa tsy rehefa eo aminareo ihany aho,
19
ry zanako, dia ianareo izay ananako faharariam-piterahana indray amin’ny fiterahana mandra-pahazoan’i Kristy endrika ao anatinareo.
20
Te ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko, fa sahiran-tsaina ny aminareo aho.
21
Milazà amiko ianareo izay te ho ambanin’ny lalàna: Tsy renareo va ny lalàna?
22
Fa voasoratra hoe: I Abrahama dia nanana zanaka roa lahy, ny iray dia tamin’ny andevovavy, ary ny iray dia tamin’ny vehivavy afaka.
23
Kanefa ilay tamin’ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ny vehivavy afaka kosa dia nateraka tamin’ny teny fikasana.
24
Fanoharana izany. Izy roa vavy ireo dia fanekena roa: Ny iray dia avy tamin’ny tendrombohitra Sinay ka miteraka fanandevozana. I Hagara izany.
25
Ny hoe Hagara mantsy dia tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifanandrify amin’i Jerosalema ankehitriny satria andevo izy mbamin’ny zanany.
26
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia olona afaka.
27
Voasoratra mantsy hoe: «Mifalia, Ramomba, izay tsy mba miteraka; miantsoantsoa sy manaova hiakam-pifaliana ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ny manambady» (Isa 54.1).
28
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’Isaka.
29
Kanefa tahaka ny tamin’izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy. Tahaka izany koa ankehitriny.
30
Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? «Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy; fa ny zanaky ny andevo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy afaka» (Gen 21.10).
31
Noho izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika fa zanaky ny vehivavy afaka.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6