bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Galatians 6
Galatians 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
1
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
2
Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
3
Raha misy mihevi-tena ho zavatra, kanefa tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4
Aoka hizaha toetra ny asany avy ny olona rehetra, mba ho amin’ny tenany ihany izy no afaka hirehareha, fa tsy amin’ny olon-kafa;
5
satria samy hitondra ny anjara entany avy ny olona rehetra.
6
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra.
7
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
8
Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
9
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
10
Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
11
Jereo ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tanako ho anareo.
12
Na iza na iza te hiseho ho tsara amin’ny nofo dia ireo no manery anareo hoforana, noho izao ihany: Fandrao enjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy.
13
Na ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa ianareo dia tiany hoforana koa, mba hireharehany amin’ny nofonareo.
14
Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao.
15
Samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny maha olom-baovao ihany.
16
Ny fiadanana sy ny famindrampo anie no ho an’izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity sy ho amin’ny Israelin’Andriamanitra.
17
Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony amin’izao sisa izao; fa izaho dia mitondra ny marik’i Jesosy eo amin’ny tenako.
18
Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena!
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
All chapters:
1
2
3
4
5
6