bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
James 1
James 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
I Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo no mamangy ny foko roa amby folo monina any am-pielezana.
2
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo,
3
satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4
Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.
5
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
6
Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hisalasala akory; fa izay misalasala dia toy ny alondranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.
7
Koa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo ny olona toy izany:
8
Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.
9
Aoka ny rahalahy izay mahantra hanao ny fanandratana azy ho reharehany;
10
ary ny mpanankarena kosa dia amin’ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy.
11
Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay; mampalazo ny ahitra izany ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Toy izany koa no ho falazon’ny mpanankarena amin’ny raharaha ataony.
12
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy! Fa rehefa voazaha toetra izy dia handray ny satroboninahitry ny fiainana izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy.
13
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy. Fa tsy azon’ny ratsy alaim-panahy Andriamanitra, sady tsy mba maka fanahy olona.
14
Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny.
15
Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
16
Aza mety hofitahina ianareo, ry rahalahy malalako:
17
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana.
18
Fa tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana mba ho isika no santatry ny zavatra noforoniny.
19
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20
fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
21
Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23
Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mankatò azy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra;
24
fa mijery ny tenany izy dia lasa ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.
25
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io.
26
Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
27
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5