bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
James 5
James 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
E! Ianareo manankarena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay manjo anareo!
2
Ny harenanareo dia efa simba ary ny fitafianareo dia efa lanin’ny kalalao.
3
Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary izy harafesina no vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Namory harena amin’ny andro farany ianareo!
4
Indro, mitaraina ny karamany izay hazoninareo ny mpiasa nijinja ny taninareo; ny tolokon’ny mpijinja dia tonga any am-poto-tsofin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
5
Niaina tamin’ny fiadanana tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; nafahinareo toy ny amin’ny andro famonoana biby hohanina ny fonareo.
6
Nanameloka sady namono ny marina ianareo ary tsy manohitra anareo izy.
7
Mahareta tsara ary, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro ny mpiasa tany miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8
Mahareta koa ianareo, ampaherezo ny fonareo fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
9
Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; indro ny Mpitsara dia efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana.
10
Ry rahalahiko, raiso ho fianarana ny fiaretana fahoriana sy ny fahari-po teo amin’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo.
11
Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
12
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo.
13
Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
14
Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka ho azy.
15
Ny vavaka atao amin’ny ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy dia havela ny helony.
16
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery.
17
I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana.
18
Ary nivavaka indray izy dia nandatsaka ranonorana ny lanitra ka nahavokatra ny tany.
19
Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy iray mampibebaka azy,
20
aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka marobe.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5