bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
James 2
James 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika be voninahitra, dia Jesosy Kristy.
2
Raha misy olona miditra eo amin’ny sinagoganareo ka misy peratra volamena amin’ny rantsantanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona mahantra sady miakanjo ratsy,
3
raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro!
4
Moa tsy manavakavaka va ianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
5
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny mahantra amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
6
Kanefa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy ireny va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
7
Tsy izy ireny koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
8
Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18), dia tsara no hataonareo.
9
Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo dia manota ka hohelohin’ny lalàna ho mpanota.
10
Na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra.
11
Fa Ilay niteny hoe: «Aza mijangajanga», no niteny koa hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13, 14). Raha toa tsy mijangajanga ianao kanefa mamono olona ihany dia mpandika ny lalàna ianao.
12
Aoka hiteny sy hiasa araka izay mahamendrika anareo ianareo izay olona hotsarain’ny lalànan’ny fahafahana.
13
Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary izay mamindra fo kosa dia tsy mba matahotra ny fitsarana.
14
Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandro
16
ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
17
Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.
18
Fa angamba hisy hiteny hoe: Ianao dia manam-pinoana, ary izaho dia manana asa. Asehoy amiko tsy amin’ny asa ary ny finoanao, ary izaho kosa dia haneho aminao ny finoako amin’ny asako.
19
Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra. Tsara izany ataonao izany: Ny devoly koa dia mba mino izany ka mangovitra.
20
Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
21
Tsy nohamarinina tamin’ny asa va i Abrahama razantsika tamin’ny nanolorany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara?
22
Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa.
23
Koa tanteraka ny Soratra Masina milaza hoe: «Ary i Abrahama dia nino an’Andriamanitra ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6), ary natao hoe «Sakaizan’Andriamanitra» izy (Isa 41.8).
24
Koa hitanareo amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona fa tsy amin’ny finoana ihany.
25
Toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa?
26
Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5