bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
James 3
James 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra avokoa ianareo rehetra satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.
2
Mety diso amin’ny zavatra maro mantsy isika rehetra. Raha misy olona tsy mba mety diso amin’ny teniny dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany manontolo koa.
3
Raha asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly mba hanarahany antsika dia mitondra ny tenany manontolo isika.
4
Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ny rivotra mahery, dia ahodin’ny familiana kely foana izy ho any amin’izay tian’ny mpitondra azy.
5
Toy izany koa ny lela, taova kely izy kanefa mirehareha fatratra. Indro afo kely monja dia mahadoro ala lehibe!
6
Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe izy.
7
Folaka avokoa ny karazana bibidia rehetra sy ny vorona ary ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina. Eny, voafolaky ny olombelona ireny,
8
nefa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy hay tohaina izy sady feno poizina mahafaty.
9
Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao araka ny endrik’Andriamanitra.
10
Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11
Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?
12
Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva na ny voaloboka mamoa voan’aviavy? Toy izany koa ny loharano masirasira dia tsy mba ivoahan’ny rano mamy.
13
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahy sy fahendrena.
14
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fiheveran-tena ho zavatra ao am-ponareo dia aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
15
Izany fahendrena izany dia tsy ilay avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny demonia.
16
Fa izay misy fialonana sy fiheveran-tena ho zavatra dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.
17
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
18
Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5