bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jonah 1
Jonah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
1
Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary ambarao mafy ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
3
Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO.
4
Fa NY TOMPO nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina ka efa nila ho vaky ny sambo.
5
Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso.
6
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka niteny taminy hoe: Endre ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna ka antsoy ny Andriamanitrao! Angamba mba hihevitra antsika Izy ka tsy ho faty isika.
7
Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Andeha isika hanao antsapaka mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao antsapaka ry zareo ka i Jona no voatondro.
8
Dia hoy ireo taminy: Miangavy anao izahay, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza ianao?
9
Dia hoy ny navaliny azy ireo: Hebreo aho; ary NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako; dia izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka niteny taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Satria fantany fa nandositra hanalavitra NY TOMPO izy, fa efa nambarany taminy izany.
11
Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
12
Ary hoy izy tamin’ireo: Batao aho ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
13
Nefa dia mbola nivoy mafy ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ny tany maina, tsy todiny anefa izany fa mbola nihananonja mafy taminy ihany ny ranomasina.
14
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao.
15
Dia nobatain’izy ireo i Jona ka natsipiny tany anatin’ny ranomasina; dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
16
Ary natahotra indrindra NY TOMPO ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO sady nanao voady.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4