bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jonah 4
Jonah 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Tsy sitrak’i Jona velively izany ka nirehitra ny fahatezerany.
2
Dia nivavaka tamin’NY TOMPO izy hoe: Mifona aminao aho, TOMPO ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ny taniko? Fa ny tsy hisian’ny toy izao no nandosirako ho any Tarsisy satria fantatro fa Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
3
Koa mifona aminao aho ankehitriny, TOMPO ô, esory ny aiko; fa aleoko maty toy izay ho velona.
4
Fa hoy NY TOMPO: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
5
Dia nivoaka niala ny tanàna i Jona ka nipetraka teo atsinanan’ny tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ny tanàna.
6
Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.
7
Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra ka namely ilay tanantanamanga iny, dia maina io.
8
Nony niposaka ny masoandro dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra, ary namely ny lohan’i Jona ny masoandro, dia nangataka ny ho faty izy, sady niteny hoe: Aleoko maty toy izay ho velona.
9
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
10
Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa.
11
Koa moa va Aho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4