bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jonah 2
Jonah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina.
2
Dia nivavaka tamin’NY TOMPO Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano i Jona.
3
Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao.
4
Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra.
5
Dia hoy aho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho! Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
6
Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina.
7
Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro!
8
Raha reraka ny fanahiko tato anatiko dia nahatsiaro NY TOMPO aho. Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko, dia tao amin’ny tempolinao masina.
9
Izay mivavaka amin’ny sampy dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy;
10
fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena.
11
Ary NY TOMPO nandidy ilay hazandrano ka naloany ho eny amin’ny tany maina i Jona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4