bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jonah 3
Jonah 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary ambarao aminy ny teny izay lazaiko aminao.
3
Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’NY TOMPO. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalana hateloana no amakivakiana azy.
4
Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.
5
Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.
6
Nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana izy sady nipetraka tamin’ny lavenona.
7
Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
8
Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo, ary aoka samy hahafoy ny lalan-dratsiny sy ny herisetra fanaon’ny tanany avy izy rehetra.
9
Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika?
10
Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4