bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Lamentations 1
Lamentations 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
Indrisy! Mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ny firenena sady andriambavy tamin’ny fari-piadidiana samihafa dia manjary miasa an-terivozona.
2
Mitomany mafy izy amin’ny alina, ary ny ranomasony dia manorika amin’ny takolany. Izay rehetra tia azy dia tsy mba misy mampionona azy; ny sakaizany rehetra dia efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
3
Lasan-ko babo ny Joda, ory sady vesaran’ny fanompoana; mipetraka any amin’ny Jentilisa izy ary tsy mahita fitsaharana; izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo anivon’ny fahoriam-be.
4
Ireo lalana mankany Ziona dia misaona satria tsy misy tonga amin’ny fotoam-piravoravoana; rava ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; ory ny virijininy ary i Ziona dia azon’ny fahoriana mangidy.
5
Ny mpanohitra azy no nanjary mpitondra, ny fahavalony no miadana satria NY TOMPO efa nampahory azy noho ny hamaroan’ny fahotany; ny zanany madinika aza dia lasan-ko babo eo anoloan’ny rafiny.
6
Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny voninahiny manontolo; ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan’ny mpanenjika azy izy.
7
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatramin’ny ela; fa nony lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony ka tsy nisy namonjy azy dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
8
Tena nanota tokoa i Jerosalema ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy satria nahita ny fitanjahany ireny; eny, izy tenany aza dia misento ka mihemotra.
9
Ny fahalotoany dia teo amin’ny morontongotr’akanjony; tsy nihevitra izay ho aviny izy; mampitolagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. TOMPO ô, jereo ny fahoriako fa mirehareha ny fahavalo.
10
Ny fahavalo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny zava-tsoany rehetra; fa hitany tafiditra ao amin’ny fitoerany masina ny Jentilisa izay noraranao tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
11
Misento ny olony rehetra mitady mofo; eny, atakalony hanina ny zava-tsoany mba hampody ny ainy; jereo, TOMPO ô, ka diniho fa vingavingaina aho.
12
Mba tsy ho aminareo rehetra izay mandalo amin’ny lalana anie izao! Diniho sy jereo raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’NY TOMPO ahy tamin’ny andro nirehetan’ny fahatezerany.
13
Avy tany amin’ny avo no nandatsahany afo ho amin’ny taolako, Izy no mandefa izany; namelatra harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; nampahalao ahy Izy sady nampahareraka ahy mandritra ny andro.
14
Ny ziogan’ny fiodinako dia nofehezin’ny tanany; mifaningotsingotra ireny ka tonga teo an-katoko; noketrahiny ny heriko; eny, natolotry ny Tompo ho eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
15
Nataon’ny Tompo tsinontsinona ny mahery rehetra izay niaraka tamiko; nanendry fotoam-piravoravoana hamelezana ahy Izy, hamotehana ny zatovoko; nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijiny teo amin’ny famiazam-boaloboka ny Tompo.
16
Izany zavatra izany no mampitomany ahy; ny masoko; eny, mandrotsa-dranomaso ny masoko satria lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; ringana ny zanako satria mahery ny fahavalo.
17
Manatsotra tanana i Ziona, nefa tsy misy mampionona azy; NY TOMPO nandidy ny amin’i Jakoba, mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan’ireo.
18
Marina NY TOMPO, fa izaho kosa dia nandà ny teniny; ry firenena rehetra, mihainoa re! Mba jereo ny fahoriako; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lasan-ko babo.
19
Nantsoiko ireo tia ahy, nefa nofitahiny aho; ny mpisoroko sy ny loholoko dia niala aina tao an-tanàna raha teo am-pitadiavana hanina mba hampody ny ainy.
20
Jereo, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny ato anatiko; miontana ato anatiko ny foko satria naditra loatra aho; eny ivelany dia ny sabatra no mandripaka ny zanako, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana.
21
Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; ny fahavaloko rehetra dia nandre ny fahavoazako ka faly satria Ianao no nahavita izany; hahatonga ny andro izay nolazainao Ianao. Mba ho tahaka ahy koa anie ireo.
22
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; fa betsaka ny fisentoako ka reraka ny foko.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5