bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Lamentations 3
Lamentations 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ny tsorakazon’ny fahatezerany.
2
Izaho dia notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava.
3
Izaho ihany no asian’ny tanany isanandro.
4
Nataony mikainkona ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5
Manorina manda hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6
Ampitoeriny ao amin’ny maizina toy izay efa maty hatrizay aho.
7
Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-niala, nataony mavesatra ny gadrako.
8
Ary na dia mitaraina sy miantso vonjy aza aho dia sakanany ny vavaka ataoko.
9
Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, ary naolikoliny ny alehako.
10
Tonga bera manao vela-pandrika ho ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ny fierena.
11
Namily ny lalako Izy ary noviravirainy aho ka navelany ho lao.
12
Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nametraka ahy ho toy ny marika hokendrena amin’ny zana-tsipìka.
13
Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ny voako Izy.
14
Tonga fihomehezan’ny oloko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15
Novokisany anana mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16
Notorotoroiny tamin’ny vato kely ny nifiko sady natsinkasinkasiny tamin’ny lavenona aho.
17
Noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko ka hadinoko ny fahasambarana.
18
Dia hoy aho: Very ny lazako sy ny fanantenako NY TOMPO.
19
Tsarovy ny fahantrako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mangidy sy ny poizina.
20
Tsaroako tokoa izany ka mitanondrika aho.
21
Izany no eritreretiko ato am-poko ka mahatonga ahy hanantena.
22
Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany.
23
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24
NY TOMPO no anjarako, hoy ny fanahiko, ka mahatonga ahy hanantena Azy izany.
25
Tsara NY TOMPO amin’izay miandry Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy.
26
Tsara ny manantena ny famonjen’NY TOMPO amim-pahanginana.
27
Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga amin’ny fahatanorany.
28
Aoka hipetraka irery izy ka hangina rehefa ampitondraina izany.
29
Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ny vovoka izy fa angamba mbola hisy fanantenana.
30
Aoka hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31
Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32
eny, na dia mampahory aza Izy dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony,
33
satria tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona.
34
Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany ho eo ambanin’ny tongotra,
35
ny familiana ny rariny amin’ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra,
36
ny famadihana ny adin’ny olona, moa tsy samy jeren’ny Tompo va?
37
Iza moa no miteny ka mahatanteraka izany, raha tsy didy avy amin’ny Tompo?
38
Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no ivoahan’ny soa sy ny ratsy?
39
Koa nahoana no mitaraina ny olona velona, fa aoka ny olona samy hisento noho ny amin’ny fahotany.
40
Aoka isika handinika ny lalantsika sy hamantatra azy ka hiverina indray amin’NY TOMPO.
41
Aoka hasandratsika ny fontsika sy ny tanantsika ho any amin’Andriamanitra any an-danitra.
42
Izahay dia efa nanota sy naditra, ary Ianao tsy namela heloka!
43
Nisarona fahatezerana Ianao ka nanenjika anay; novonoinao izahay fa tsy niantranao.
44
Nisarona rahona Ianao ka voasakana ny vavaka.
45
Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ny olona izahay.
46
Ny fahavalonay rehetra dia mitanatana vava aminay.
47
Nanjary tahotra sy lavaka ho anay izany, sady faharavana sy fahatorotoroana.
48
Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy.
49
Ny masoko dia mandrotsa-dranomaso ka tsy misy fijanonany; eny, tsy misy fiatoana,
50
ambara-pitazan’NY TOMPO ka hitsinjovany avy any an-danitra.
51
Ny masoko dia mampahory ny fanahiko noho ny amin’ny zanakavavin’ny tanànako rehetra.
52
Manenjika ahy mafy, toy ny fanenjika voronkely ny fahavaloko tsy amin’antony.
53
Nanjera ahy tao an-davaka famorian-drano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54
Mandifotra ny lohako ny rano ka hoy aho: Maty aho ity!
55
TOMPO ô, niantso ny anaranao avy tany an-davaka lalina indrindra aho.
56
Ny feoko dia efa renao ka aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57
Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao ka hoy Ianao: Aza matahotra.
58
Tompo ô, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko; eny, Ianao no nanavotra ny aiko.
59
TOMPO ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko ka mba tsarao ny adiko.
60
Hitanao ny valifaty rehetra ataon’ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy.
61
TOMPO ô, renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62
ny molotr’izay mitsangana hanohitra ahy sy ny fimonomononany mandritra ny andro hamelezany ahy.
63
Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64
Hovalianao izy, TOMPO ô, araka ny asan’ny tanany.
65
Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
66
Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitry NY TOMPO.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5