bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Lamentations 4
Lamentations 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
1
Indrisy! Tonga matromatroka ny volamena; niova ny volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia naely eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2
Ny zanaka sarobidin’i Ziona izay nosandaina tahaka ny volamena tsy miharo dia indrisy, efa atao toy ny siny tany, asan’ny tanan’ny mpanefy tanimanga!
3
Na ny amboahaolo aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; fa ny oloko zanakavavy kosa dia tonga masiaka toy ny aotirisy any an-tany efitra.
4
Ny lelan’ny zaza minono dia miraikitra amin’ny lanilaniny noho ny hetaheta; ny ankizy madinika dia mangataka mofo, nefa tsy misy mizara ho azy.
5
Izay nihinana hanim-py dia miala aina eny an-dalambe; izay notezaina tamin’ny jaky dia mamihina zezika.
6
Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’i Sodoma izay noravana indray mipy maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
7
Ny Naziritany dia mangatsakatsaka noho ny fanala; eny, fotsy noho ny ronono; mena noho ny voahangy ny tenany, ary tahaka ny vato safira ny endriny.
8
Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny ka tsy misy mahafantatra azy eny an-dalana; miraikitra amin’ny taolany ny hodiny ka tonga maina toy ny hazo.
9
Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary, fa mihareraka toy ny voatrobaka ihany izy noho ny tsy fisian’ny vokatry ny saha.
10
Ny tanan’ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany; eny, izany no nohaniny tamin’ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
11
Tanterahin’NY TOMPO ny fahavinirany ka naidiny ny fahatezerany mirehitra; nampirehitra afo tao Ziona Izy handevonana ny fanorenany.
12
Ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny mpanohitra sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ny vavahadin’i Jerosalema.
13
Noho ny fahotan’ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony izay nandatsaka ny ran’ny marina tao aminy no nahatonga izao.
14
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, mihosin-dra rahateo ny tenany ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
15
Ny olona dia niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo fa maloto! Mialà! Mialà! Aza mikasika anay! Raha nandositra sy niraparapa izy dia hoy ny olona tany amin’ny hafa firenena: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
16
Ny tavan’NY TOMPO no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; ny mpisorona dia tsy hajain’ireny ary ny antitra dia tsy amindrany fo.
17
Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjena anay; nitazana teo amin’ny tilikambo fitazanana izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
18
Mitsongo dia anay izy ka tsy mahazo mandeha izahay na dia eny an-dalambe aza; akaiky ny fara fiainanay, tapitra ny andronay; eny, tonga ny fara fiainanay.
19
Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ka milomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manao vela-pandrika ho anay any an-tany efitra.
20
Ny fofonainay, ilay voahosotry NY TOMPO, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ny alokalony no hahavelona anay any amin’ny hafa firenena.
21
Mifalia sy miravoravoa ihany, ry Edoma zanakavavy izay monina any amin’ny tany Oza; ianao koa no horosoana ny kapoaka ka ho mamo sy hitanjaka.
22
Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy hoentina ho babo intsony ianao; hamaly anao noho ny helokao Izy, ry Edoma zanakavavy, ka hampiseho ny fahotanao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5