bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Lamentations 2
Lamentations 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Indrisy! Amin’ny fahatezerany no anaronan’ny Tompo rahona an’i Ziona zanakavavy, nazerany avy tany an-danitra ho amin’ny tany ny reharehan’ny Israely, ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ny andron’ny fahatezerany!
2
Natelin’ny Tompo ny fonenan’i Jakoba rehetra fa tsy nisy niantrany; noravany an-katezerana ny mandan’i Joda zanakavavy ka nazerany tamin’ny tany, notsiratsirainy ny fanjakana sy ny mpanapaka eo aminy.
3
Nokapainy tamin’ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Israely rehetra; nahemony teo anoloan’ny fahavalo ny tanany ankavanana, ary nandoro an’i Jakoba toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina Izy.
4
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro nanatsotra ny tanany ankavanana toy ny mpanohitra Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy.
5
Tonga toy ny fahavalo ny Tompo ka nitelina ny Israely. Eny, nateliny ny lapany rehetra sady noravany ny manda fiarovany; nampitomboiny tao amin’i Joda zanakavavy tokoa ny sento sy ny taraina.
6
Noravany an-keriny toy ny tanimboly ny fefiny sady noravany ny toeram-piravoravoany; nataon’NY TOMPO hadino tao Ziona ny fotoam-piravoravoana sy ny Sabata ka nolaviny tamin’ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
7
Narian’ny Tompo ny alitarany, nolaviny ny fitoerany masina; natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapa ao Ziona; nisy nanandra-peo tao amin’ny tranon’NY TOMPO toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana.
8
NY TOMPO no ninia nandrava ny mandan’i Ziona zanakavavy; nanenjana ny kofehy fandrefesana Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy ka miara reraka ireo.
9
Ny vavahadiny dia tototry ny tany sady nosimbany no nopotipotehiny ny hidiny; ny mpanjakany sy ny andriana eo aminy dia efa any amin’ny firenena hafa; tsy misy lalàna intsony, eny fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’NY TOMPO intsony.
10
Ny loholon’i Ziona zanakavavy dia mipetraka amin’ny tany ka mangina; nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; mampitanondrika ny lohany ho amin’ny tany ny virijiny any Jerosalema.
11
Bongo ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny ao anatiko; nararaka tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna.
12
Manontany ny reniny izy ireo hoe: Aiza izay vary sy divay? Ana toy ny voatrobaka eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna izy ireo, ary miala aina eo ampofoan-dreniny.
13
Inona no hampitoviako aminao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao, mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijiny? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14
Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana mandainga sy mamitaka ho anao sady tsy nampiseho ny helokao mba hiarovany anao tsy ho babo; eny, nahita faminaniana lainga sy fampivilian-tsaina ho anao izy.
15
Miteha-tanana noho ny aminao izay rehetra mandalo eny an-dalana; misiaka maneso sady mihifikifi-doha ny amin’i Jerosalema zanakavavy izy ka miteny hoe: Ity va ilay tanàna izay nolazainy hoe fanaperan’ny hatsaran-tarehy, fifalian’ny tany rehetra?
16
Mitanatana vava aminao ny fahavalonao rehetra; misiaka maneso sy mihidy vazana izy ka miteny hoe: Natelinay! Ity tokoa ilay andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
17
NY TOMPO efa nanatanteraka izay nosaininy ka nahatò ny teniny izay didy nomeny hatramin’ny andro fahagola; nandrava Izy, fa tsy niantra; ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafinao.
18
Mitaraina amin’ny Tompo ny fony. Ry mandan’i Ziona zanakavavy! Mandrotsaha ranomaso andro aman’alina toy ny riaka; aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.
19
Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ny alina hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana, aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ny Tompo ny fonao! Asandrato Aminy ny tananao hifona ho an’ny ain’ny zanakao madinika izay reraky ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.
20
TOMPO ô, jereo ka diniho ny olona izay nanaovanao izany. Hihinana ny ateraky ny kibony va ny vehivavy, dia ny zanany madinika izay notezainy am-pitiavana? Hovonoina ao amin’ny fitoerana masina an’ny Tompo va ny mpisorona sy ny mpaminany?
21
Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalana ny tanora sy ny antitra; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lavon’ny sabatra; novonoinao tamin’ny andro fahatezeranao izy ireo; eny, naripakao, fa tsy niantranao.
22
Niantso ny fampihorohoroana hanodidina ahy toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana ianao ka tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; izay notezaiko am-pitiavana sy nobeaziko aza dia lanin’ny fahavaloko.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5