bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nehemiah 1
Nehemiah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 2 →
1
Ny tantaran’i Nehemia, zanak’i Hakalia. Tamin’ny volana Kisleo tamin’ny taona faharoapolo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
2
dia tonga i Hanany, iray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Joda. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy izay sisa afaka tamin’ny fahababoana sy ny amin’i Jerosalema,
3
koa hoy ny navaliny ahy: Ny sisa tamin’ny fahababoana izay any amin’ny fari-piadidiana any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’i Jerosalema sady main’ny afo ny vavahadiny.
4
Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra
5
ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’alina ho an’ny Zanak’Israely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ny Zanak’Israely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7
Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’i Mosesy mpanomponao.
8
Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo dia hampiely anareo any amin’ny firenena maro Aho;
9
nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako anareo ka hoentiko ho eo amin’ny toerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako ianareo.
10
Ary ireo dia mpanomponao sy olonao izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
11
Koa mitaraina Aminao aho, Tompo ô, mihainoa ny vavaka ataon’ity mpanomponao ity sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao; hambinina anie ny mpanomponao anio ary aoka hahazo famindrampo eo imason’io lehilahy io aho. Mpitondra kapoaky ny mpanjaka anefa aho tamin’izany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13