bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nehemiah 8
Nehemiah 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
1
Dia nivory tahaka ny olona iray ho eo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izy rehetra; ary niteny tamin’i Ezra mpanoradalàna izy mba hoentiny ny bokin’ny lalànan’i Mosesy izay nandidian’NY TOMPO ny Israely.
2
Dia noentin’i Ezra mpisorona ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lahy na vavy, mbamin’izay rehetra afaka mihaino ny lalàna. Andro voalohany tamin’ny volana fahafito tamin’izay.
3
Dia novakiny teo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izany, hatramin’ny vao maraina ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay afaka mihaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.
4
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana izay efa natao ho amin’izany i Ezra mpanoradalàna; nitsangana teo anilany havanana i Matitia, i Sema, i Anaia, i Oria, i Hilkia ary i Mahaseia; teo anilany havia kosa i Pedaia, i Misaela, i Malkia, i Hasoma, i Hasbadana, i Zakaria ary i Mesolama.
5
Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky satria ambony toerana noho ny olona rehetra izy; ary rehefa nosokafany izany dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6
Ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitra lehibe i Ezra; ary nanandra-tanana ny olona rehetra ka namaly hoe: Amena, Amena! Dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO.
7
I Josoa, i Bany, i Serebia, i Jamina, i Akoba, i Sabetahy, i Hodia, i Mahaseia, i Kelita, i Azaria, i Jozabada, i Hanana, i Pelaia ary ny levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany.
8
Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra sady nohazavainy tsara ny heviny ka azon’ny olona tsara ny teny novakina.
9
Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona, mpanoradalàna, ary ny levita izay nampianatra ny olona hoe: Masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna.
10
Dia hoy izy taminy: Mandehana hano ny matavy ary sotroy ny mamy dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’NY TOMPO no fiarovana mafy ho anareo.
11
Ary nampangina ny olona rehetra ny levita ka niteny hoe: Mangìna ianareo fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
12
Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary nifaly tokoa ny olona rehetra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
13
Nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanoradalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika ny tenin’ny lalàna.
14
Dia hitany voasoratra teo amin’ny lalàna izay nampandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Israely amin’ny andro firavoravoana amin’ny volana fahafito
15
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hilaza hoe: Mandehana any an-tendrombohitra ka makà sampan’oliva tsotra, sampan’oliva maniry ho azy, sampana mirta sy sampana palma ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka ny voasoratra.
16
Dia nandeha ny olona ka naka ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ny tokotaniny avy ary teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra sy teo amin’ny toerana malalaka teo akaikin’ny vavahadin-drano ary teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny vavahadin’i Efraima.
17
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana manontolo izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Dia nisy fifaliana lehibe tokoa.
18
Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fivorian-dehibe araka ny fanao.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13