bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nehemiah 4
Nehemiah 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
1
Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia mbamin’ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’i Jerosalema ka efa ho voavoatra izay rava dia nirehitra mafy ny hatezerany.
2
Koa niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema ka hanimba ny asa.
3
Dia nivavaka tamin’Andriamanitray izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’alina noho ny fahatahoranay azy.
4
Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay.
5
Hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy na hahita raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.
6
Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo ka niteny impolo taminay hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo dia miverena atỳ aminay,
7
dia nasiako olona teo amin’ny toerana ambany, teo ivelan’ny manda sy teo ankarihary; eny, nalahatro araka ny fokony avy ny olona ary samy nitana sabatra sy lefona ary tsipìka.
8
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo izay lehibe sy mahatahotra no tsarovy, koa miadia mba hiaro ny rahalahinareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny vadinareo ary ny tranonareo.
9
Nony ren’ny fahavalontsika fa efa fantatray izany sady efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy ho any amin’ny asanay avy indray.
10
Hatramin’izay andro izay, ny antsasaky ny zatovoko, dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa dia nitana lefona aman’ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ny fianakaviana rehetra amin’ny Joda.
11
Izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany kosa dia samy nanamboatra tamin’ny tanany iray ary nitan-defona kosa tamin’ny tanany ilany.
12
Ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy teny an-tsikinany avy no sady nandrafitra. Ary teo anilako ny mpitsoka ny anjomara.
13
Dia hoy aho tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa ka miparitaka eny ambonin’ny manda isika sady mifanalavitra.
14
Koa eo amin’izay toerana andrenesanareo ny feon’ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
15
Dia nanao ny asa izahay ary ny antsasany kosa dia nitan-defona hatramin’ny mazava ratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
16
Tamin’io andro io koa dia hoy aho tamin’ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ny zatovonareo; hiambina antsika ireo raha alina ary hiasa raha antoandro.
17
Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina izay nanaraka ahy dia samy tsy niala akanjo, fa samy nitana ny fiadiany sy ny rano.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13