bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nehemiah 11
Nehemiah 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
1
Nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa dia nanao antsapaka hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any amin’ny tanàna hafa ihany.
2
Ary nisaoran’ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
3
Izao no mpitondra ny fari-piadidiana izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ny Joda dia samy nonina tao amin’ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Israely, ny mpisorona, ny levita, ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’i Solomona.
4
Tany Jerosalema no nonenan’ny sasany tamin’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Benjamina. Ny avy tamin’ny taranak’i Joda dia i Ataia, zanak’i Ozia, zanak’i Zakaria, zanak’i Amaria, zanak’i Sefatia, zanak’i Mahalalila, avy tamin’ny taranak’i Fareza;
5
i Mahaseia, zanak’i Baroka, zanak’i Kola-Hoze, zanak’i Hazaia, zanak’i Adaia, zanak’i Joariba, zanak’i Zakaria, zanak’ilay Silonita.
6
Ny taranak’i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enimpolo sy efajato.
7
Izao no taranak’i Benjamina: I Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Joeda, zanak’i Pedaia, zanak’i Kolaia, zanak’i Mahaseia, zanak’Itiela, zanak’i Jesaia;
8
nanarakaraka azy i Gabay sy i Salay; valo amby roapolo sy sivinjato.
9
I Joela, zanak’i Zikry, no mpifehy azy; ary i Joda, zanak’i Senoa, no lefiny teo amin’ny tanàna.
10
Ny avy tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, zanak’i Joariba, mbamin’i Jakina.
11
I Seraia, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’Andriamanitra,
12
Ny rahalahin’ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roapolo sy valonjato. I Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pelalia, zanak’i Amzy, zanak’i Zakaria, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia,
13
mbamin’ny rahalahiny, izay samy lohan’ny fianakaviana, dia roa amby efapolo sy roanjato; i Amasay, zanak’i Azarela, zanak’i Ahazay, zanak’i Mesilemota, zanak’Imera
14
mbamin’ny rahalahin’ireo, dia lehilahy mahery valo amby roapolo amby zato; i Zabdiela, zanak’i Hagedolima, no mpifehy azy.
15
Ny avy tamin’ny levita dia i Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, zanak’i Bony;
16
ary i Sabetahy sy i Jozabada, avy tamin’ny lehiben’ny levita, no tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra.
17
I Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa, no mpiventy hira, rehefa natao ny vavaka fisaorana; ary i Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ny rahalahiny, izay vao i Abda, zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.
18
Ny levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valopolo sy roanjato.
19
Ny mpiandry varavarana dia i Akoba sy i Talmona mbamin’ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, roa amby fitopolo amby zato.
20
Ny sisa tamin’ny Israely sy ny mpisorona ary ny levita kosa dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ny zarataniny avy ihany.
21
Ny Netinima kosa dia nonina tany Ofela; ary i Ziha sy i Gispa no lehibeny.
22
Ny mpifehy ny levita tany Jerosalema amin’ny raharaha momba ny tranon’Andriamanitra dia i Ozy, zanak’i Bany, zanak’i Hasabia, zanak’i Matania, zanak’i Mika, isan’ny mpihira, taranak’i Asafa.
23
Fa ny didin’ny mpanjaka ny amin’ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isanandro.
24
Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, isan’ny taranak’i Zera, zanak’i Joda, dia teo anilan’ny mpanjaka mba hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ny olona.
25
Ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda, no nonina tany Kiriata-Arba sy ny vohitra miankina aminy, tany Dibona sy ny vohitra miankina aminy, tany Jekabzela sy ny vohitra miankina aminy,
26
tany Josoa, Molada, Bety-Paleta,
27
Hazara-Soala ary Bery-Sheba sy ny vohitra miankina aminy,
28
tany Ziklaga sy Mekona ary ny vohitra miankina aminy,
29
tany Eny-Rimona, Zora, Jarmota,
30
Zanoa, Adolama ary ny vohitra miankina aminy, tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny vohitra miankina aminy. Nonina hatrany Bery-Sheba ka hatrany amin’ny lohasahan’i Hinoma izy.
31
Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy,
32
tany Anatota, Noba, Anania,
33
Hazora, Rama, Gitaima,
34
Hadida, Zeboima, Nebalata,
35
Loda, Ono, lohasahan’ny mpahay taozavatra.
36
Nisy levita, izay isan’ny antokon’ny Joda tao amin’ny Benjamina.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13