bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Philippians 1
Philippians 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
1
I Paoly sy i Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, no mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipia:
2
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!
3
Misaotra an’Andriamanitra aho isaky ny mahatsiaro anareo.
4
Mandrakariva, rehefa mivavaka ho anareo rehetra aho, dia mangataka amin’ny fifaliana,
5
noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.
6
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
7
Marina izany fiheverako anareo rehetra izany, fa ato am-poko sady mpiombona amin’ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ny fifatorako na amin’ny fiarovako sy fanamafisako orina ny Filazantsara.
8
Andriamanitra no vavolombeloko, fa tia anareo rehetra tokoa aho amin’ny fitiavan’i Kristy Jesosy.
9
Ary izao no angatahiko dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahaiza-mamantatra rehetra
10
mba hamantaranareo izay zava-dehibe, mba ho madio am-po sy tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Kristy
11
sady ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
12
Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia vao mainka tonga fampandrosoana ny Filazantsara.
13
Tonga fantatry ny mpiambina rehetra mbamin’ny olona hafa rehetra mantsy fa noho ny amin’i Kristy no ifatorako,
14
ary ny ankabeazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mitombo fahasahiana hitory tsy amin-tahotra ny tenin’Andriamanitra.
15
Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy ary fikasana tsara kosa ny an’ny sasany;
16
fitiavana ny an’ny sasany satria fantany fa voatendry ho mpiaro ny Filazantsara aho;
17
fifampiandaniana kosa no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa tsy mba amin’ny fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako izy.
18
Ahoana ary? Amin’izay atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany.
19
Fantatro mantsy fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanampian’ny Fanahin’i Jesosy Kristy.
20
Fatratra tokoa ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hitsanga-menatra aho, na amin’ny inona na amin’ny inona, fa tahaka ny isanandro; eny, ankehitriny koa dia amin’ny fahasahiana rehetra no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana.
21
Fa Kristy no antony ahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22
Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hampahavokatra ny asako dia tsy hitako izay hofidiko,
23
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24
kanefa ny hitoerako eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25
Matoky izany aho ka fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo
26
ka hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’i Kristy Jesosy, amin’ny hankanesako atỳ aminareo indray.
27
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
28
ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra.
29
Fa efa nomena fahasoavana ianareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy.
30
Manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4