bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Philippians 2
Philippians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
2
dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra;
3
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
4
Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
5
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa:
6
Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
7
fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
8
dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
9
Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10
mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany,
11
sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
12
Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo hatramin’izay, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra mba hahatanteraka ny famonjena anareo.
13
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony.
14
Ataovy amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana ny zavatra rehetra
15
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
16
mitana ny tenin’ny fiainana: Mba ho reharehako izany amin’ny andron’i Kristy ka tsy ho nihazakazaka foana na nisasatra foana aho.
17
Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy fisoronan’ny finoanareo aza aho dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18
Koa aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19
Manantena ao amin’i Jesosy Tompo anefa aho fa haniraka haingana an’i Timoty ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny momba anareo.
20
Fa tsy manana olona mitovy firehana amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
21
Ny hafa rehetra dia samy mitady ny azy avy fa tsy ny an’i Jesosy Kristy;
22
izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra satria efa niara-nanompo tamiko tamin’ny Filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
23
Ary izy no antenaiko hirahina haingana, rehefa hitako mazava ny momba ahy.
24
Nefa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy haingana koa.
25
Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko.
26
Koa satria manina anareo rehetra izy dia difotra alahelo nony fantany fa renareo ny naharariany.
27
Eny, narary saika maty tokoa izy; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
28
Izany no nampahazoto ahy haniraka azy mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, ary mba ho maivana kokoa ny alaheloko.
29
Koa raiso ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana feno izy, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany,
30
satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4