bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Philippians 4
Philippians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Ary amin’izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako!
2
Mananatra an’i Eodia aho ary mananatra an’i Sintike mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy ireo.
3
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
4
Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy indray aho: Mifalia!
5
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa akaiky ny Tompo.
6
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
7
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
8
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
9
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
10
Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho satria nampitsimohanareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana izany ianareo.
11
Tsy filan-javatra anefa no ilazako izany satria efa nianatra tsy hierina aho na manao ahoana na manao ahoana.
12
Mahay mivelona amin’ny fahantrana aho ary mahay mivelona amin’ny fananam-be; na aiza na aiza, ary na amin’ny inona na amin’ny inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana ary hanam-be sy hahantra aho.
13
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.
14
Kanefa nanao soa ianareo tamin’ny niarahanareo ory tamiko.
15
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany.
16
Fa fony tany Tesalonika aza aho dia nampanatitra zavatra hahasoa ahy indray mandeha amana indroa ianareo.
17
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
18
Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra mani-pofona, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.
19
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
20
Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
21
Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
22
Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.
23
Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo!
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4