bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Philippians 3
Philippians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahatsara anareo izany.
2
Mitandrema tena amin’ny amboa, mitandrema tena amin’ny mpanao ratsy, mitandrema tena amin’ny mpomba ny famorana ivelany fotsiny.
3
Fa isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary mirehareha ao amin’i Kristy Jesosy ka tsy mitoky amin’ny nofo.
4
Kanefa mba manana izay itokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona mihevitra hitoky amin’ny nofo dia manoatra noho izany aho:
5
Voafora tamin’ny andro fahavalo aho; ary avy amin’ny fototr’Israely, dia avy amin’ny fokon’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna dia Fariseo;
6
araka ny zotom-po dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna dia tsy nanan-tsiny.
7
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy.
8
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;
9
ary mba ho hita ao Aminy ho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna aho, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana.
10
Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany aho,
11
raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty.
12
Tsy toy ny efa nahazo sahady aho na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy.
13
Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha;
14
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
15
Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hisaina toy izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany raha sendra manana sain-kafa ianareo.
16
Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
17
Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
18
Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny kanefa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny;
19
fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, tsy misaina afa-tsy ny zavatry ny tany izy.
20
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
21
izay hanova ny tenantsika voaetry hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany mampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4