bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Hosea 1
Hosea 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely.
2
Ny fiandohan’ny tenin’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Hosea: Hoy NY TOMPO tamin’i Hosea: Andeha ianao manambady vehivavy janga, zanaky ny fijangajangana, fa fatra-mpijangajanga miala amin’NY TOMPO ny tany.
3
Dia lasa izy naka an’i Gomera, zanakavavin’i Diblaima. Ary nanana anaka Ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4
Hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Jezirela ny anarany; fa vetivety foana dia hovaliako ny taranak’i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ny taranak’Israely.
5
Amin’izany andro izany dia hotapahiko ny tsipìkan’ny Israely ao amin’ny tany lemaka Jezirela.
6
Ary nanana anaka indray Ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Israely intsony Aho; eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7
Fa ny taranak’i Joda no hamindrako fo, ary Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra na amin’ny ady na amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly.
8
Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama dia nanana anaka indray ny reniny ka nitera-dahy.
9
Dia hoy NY TOMPO: Ataovy hoe Lo-Amỳ ny anarany fa tsy oloko ianareo, ary Izaho tsy anareo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14