bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Hosea 12
Hosea 12
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
Manodidina Ahy amin’ny lainga i Efraima ary amin’ny fitaka ny taranak’Israely; nefa i Joda dia mbola miaraka amin’Andriamanitra izay masina sy mahatoky ihany.
2
Homan-drivotra i Efraima sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana; mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fampihorohoroana; manao fanekena amin’ny Asiriana izy ary mitondra diloilo ho any Ejipta.
3
Manana ady amin’i Joda koa NY TOMPO ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny lalany ka hatsingeriny aminy ny nataony.
4
Fony mbola tany am-bohoka izy dia nihazona ny voditongotry ny rahalahiny ary rehefa lehibe izy dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5
Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;
6
NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, NY TOMPO no hahatsiarovana Azy.
7
Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao, tandremo ny fahitsiana sy ny rariny, miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.
8
Misy mizana miangatra eny an-tanan’ny mpivaro-mandeha; ny manambaka no tiany.
9
Fa hoy i Efraima: Fiharian-karena ihany no nataoko ka nahazo fananana aho; tsy misy nahatonga fahotana na heloka ho ahy ny asako rehetra.
10
Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta; mbola hampitoetra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ny andro firavoravoana.
11
Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana.
12
Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha.
13
Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakoba, nanompo hahazoany vady Israely; eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy.
14
Mpaminany no noentin’NY TOMPO nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta, ary mpaminany koa no noentina niahy azy.
15
Nanao izay nahasosotra sy nahatezitra i Efraima, ka havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14