bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Hosea 13
Hosea 13
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
1
Raha niteny i Efraima dia nampihorohoro ka nisandratra tao amin’ny Israely izy. Nefa nanota ny amin’ny Baala* izy ka maty.
2
Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy.
3
Koa ho toy ny rahona maraina izy, sy ho toy ny ando izay levona raha vao maraina ny andro ary ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny famoloana sy ho toy ny setroka avy amin’ny varavarankely.
4
Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta. Tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5
Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina.
6
Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy.
7
Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy;
8
hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy.
9
Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao.
10
Aiza ary izay mpanjakanao? Aoka izy hamonjy anao any an-tanànanao rehetra! Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11
Nomeko mpanjaka tamin’ny fahatezerako ianao, nefa nesoriko tamin’ny fahavinirako izy.
12
Voafehy ny helok’i Efraima, voatahiry ny fahotany.
13
Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; zanakalahy tsy hendry izy; kanefa amin’ny fotoana hahaterahany dia tsy ho tafavoaka avy tao amin’ny kibon’ny reniny izy.
14
Hafahako avy tamin’ny fitoeran’ny maty* izy; havotako amin’ny fahafatesana izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny areti-mandringanao? Ry fitoeran’ny maty ô, aiza ny valanaretinao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny indrafo!
15
Na dia hahavokatra eo afovoan’ny rahalahiny aza i Efraima dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotry NY TOMPO miakatra avy any an-tany efitra, ka ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny harena, dia ny fanaka tsara rehetra.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14