bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Hosea 10
Hosea 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Voaloboka nisandrahaka Israely, namoa ho azy izy; arakaraka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka; arakaraka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy.
2
Mamitaka ny fony, koa hovaliana izy izao noho ny helony. NY TOMPO no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
3
Ankehitriny dia hoy izy hoe: Tsy manana mpanjaka isika; fa tsy natahorantsika NY TOMPO, kanefa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4
Namoaka teny maro izy, nanao fianianana mandainga, nanao fifanekena; fa nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bava asa eny an-tsaha ny fitsarana azy.
5
Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.
6
Hoentina any Asiria koa iny ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka. Ho afa-baraka i Efraima; eny, hangaihay Israely noho ny zavatra nosaininy.
7
Ho rava i Samaria, ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano ny mpanjakany.
8
Ho rava koa ny toerana fanaovana sorona ao Avena izay anotan’ny Israely; ho rakotry ny tsilo sy songosongo ny alitarany. Hiteny amin’ny tendrombohitra izy hoe: Saròny izahay! Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay!
9
Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!
10
Araka ny sitrako no hamaizako azy; hovorina hamely azy ny firenena amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11
Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba.
12
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
13
Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao
14
dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.
15
Toy izany no hanjo anareo, ry Betela noho ny haben’ny faharatsianareo; raha maraina ny andro dia ho levona tanteraka ny mpanjakan’ny Israely.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14