bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Mark 1
Mark 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 2 →
1
Ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy*, Zanak’Andriamanitra.
2
Araka izay voasoratra ao amin’Isaia mpaminany hoe: «Indro Aho maniraka ny irako hialoha Anao; izy no hanamboatra ny lalanao» (Mal 3.1);
3
«Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3),
4
dia niseho i Jaona izay nanao batisa tany an-tany efitra ary nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.
5
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia* manontolo sy ny mponina tsy an-kanavaka tany Jerosalema ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny rehefa niaiky ny fahotany avy.
6
I Jaona dia nitafy lamba volon-drameva; fehikibo hoditra no teny aminy ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
7
Ary nitoriteny izy hoe: Indro, avy ao aorianako Ilay mahery noho izaho ary tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.
8
Izaho dia nanao batisa anareo tamin’ny rano fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.
9
Tamin’izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao Jordana.
10
Ary raha vao niakatra avy tao anaty rano Izy dia hitany ny lanitra nisokatra ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo Aminy.
11
Ary nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako.
12
Niaraka tamin’izay dia natosiky ny Fanahy ho any an-tany efitra Izy.
13
Nitoetra tany an-tany efitra efapolo andro Izy ka nalain’i Satana fanahy. Teo amin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely.
14
Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra
15
ka nanambara hoe: Efa tonga izao ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara.
16
Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy dia nahita an’i Simona sy i Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
17
Hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18
Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
19
Ary rehefa nandroso kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
20
Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy.
21
Nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin’ny Sabata dia niditra avy hatrany tao amin’ny sinagoga* Jesosy ka nampianatra.
22
Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna*.
23
Tamin’izay indrindra dia nisy olona iray teo amin’ny sinagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy Ralehilahy
24
hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao!
25
Ary Jesosy niteny mafy azy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy.
26
Ary nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary ny fanahy maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery vao niala taminy.
27
Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Fa ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! Fa ny fanahy maloto aza no didiany dia manaiky Azy.
28
Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny amin’ny tontolo manodidina tamin’ny tany rehetra manerana an’i Galilia.
29
Fa tamin’izay fotoana izay, raha niala avy tao amin’ny sinagoga* izy ireo, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy i Andrea ry Jesosy sy i Jakoba ary i Jaona.
30
Ary ny rafozambavin’i Simona dia nandry tao, voan’ny tazo; avy hatrany dia nolazain’izy ireo Taminy izany.
31
Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy.
32
Nony hariva ny andro ka nilentika ny masoandro dia noentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33
Ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ny varavarana avokoa.
34
Ary nanasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady nandroaka demonia* maro; tsy navelany hiteny ny demonia satria nahafantatra Azy ireny.
35
Ary nifoha maraina be Izy dia nandeha nankany an-tany efitra, ary tany Izy no nivavaka.
36
Nandeha nitady Azy i Simona sy ny namany,
37
koa rehefa nahita Azy izy ireo dia niteny Taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra.
38
Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hifindra hankany amin’ny tanàna hafa etỳ amin’ny manodidina mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39
Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia*.
40
Ary nisy boka iray nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany no niteny taminy hoe: Raha mety Ianao dia afaka manadio ahy.
41
Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42
Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokana ka nadio izy.
43
Ary namepetra azy mafy Jesosy sady nampandeha azy avy hatrany
44
no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
45
Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16