bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Mark 14
Mark 14
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
1
Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ny Paska izay fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nitady hisambotra an’i Jesosy tamin’ny fitaka ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* mba hamonoany Azy.
2
Nefa hoy ireo: Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
3
Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra.
4
Ary tezitra ny sasany ka nifampilaza hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
5
Fa azo namidy lafo mihoatra ny denaria* telonjato iny menaka manitra iny ka ho nomena ny mahantra! Dia tezitra indrindra tamin-dRavehivavy ireo.
6
Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko.
7
Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
8
Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.
9
Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza no hitoriana ny Filazantsara eto amin’izao tontolo izao dia hotantaraina koa izao nataon-dRavehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
10
Ary i Jodasy iskariota, ilay isan’ny roa amby folo lahy, dia nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona mba hanolotra an’i Jesosy amin’ireo.
11
Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy.
12
Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?
13
Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14
Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?
15
Ary izy no hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay efa misy izay ilaina rehetra sady voavoatra tsara; any ianareo no manomana ho antsika.
16
Ary nandeha ny mpianatra dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia nanomana ny Paska izy ireo.
17
Nony hariva ny andro dia tonga niaraka tamin’ny roa amby folo lahy Izy.
18
Ary raha nipetraka nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy, dia izay miara-mihinana Amiko.
19
Dia nalahelo izy ireo ka nanomboka nanontany an’i Jesosy ny tsirairay hoe: Izaho va izany?
20
Ary niteny tamin’izy ireo Izy hoe: Izay iray aminareo roa amby folo lahy miara-manatsoboka ny tanany Amiko ao anatin’ny lovia no izy.
21
Fa ny Zanak’Olona* dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.
22
Ary raha mbola nisakafo izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony azy ireo sady nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
23
Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany.
24
Dia hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena izay alatsaka hamonjy ny maro.
25
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
26
Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
27
Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: «Hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry» (Zak 13.7).
28
Fa rehefa tafatsangana amin’ny maty Aho dia hialoha anareo any Galilia.
29
Fa hoy i Petera Taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho dia tsy mba ho tafintohina.
30
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, amin’ity alina ity ihany, raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo ianao.
31
Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.
32
Ary tonga tany amin’ny saha iray atao hoe Getsemane izy ireo; dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto ianareo fa handeha hivavaka Aho.
33
Ary Jesosy nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona niaraka Taminy, dia nanomboka nangorohoro sady ory fatratra Izy.
34
Dia hoy Izy tamin’ireo: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miareta tory.
35
Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany Aminy, raha azo atao.
36
Ary hoy Izy: Aba, Ray ô, ny zavatra rehetra hainao; esory Amiko ity kapoaka ity. Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.
37
Ary niverina Izy ka nahita azy ireo matory dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy mahazaka miari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
38
Miareta tory ianareo ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.
39
Dia lasa indray Izy niverina nivavaka ka namerina ilay teny teo ihany.
40
Nony niverina indray Izy dia nahita azy ireo matory, ary efa nilondolondo ny masony ka tsy hitany izay havaliny Azy.
41
Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona* hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.
42
Mitsangàna, andeha isika; fa indro, efa manakaiky ilay manolotra Ahy.
43
Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy i Jodasy, iray amin’ny roa amby folo lahy, ary nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ary ny loholona.
44
Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina.
45
Ary raha vao tonga izy ka nanatona an’i Jesosy dia niteny hoe: Raby ô! Sady nanoroka Azy izy.
46
Ary nanatsotra ny tanany Taminy ny olona ka nisambotra Azy.
47
Ary nanatsoaka ny sabany ny iray tamin’ireo izay nanatrika teo dia nikapoka ny mpanompon’ny Mpisoronabe* ka nahafaka ny sofiny.
48
Dia niteny taminy Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny fisambotra jiolahy va ianareo?
49
Teo aminareo isanandro Aho, nampianatra tao amin’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
50
Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
51
Ary nisy zatovo iray nanaraka Azy, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry madinika, ary nosamborin’ny olona teo izy.
52
Dia navelany teny amin’ireo mpisambotra azy ny lambany hariry madinika ka nandositra nitanjaka izy.
53
Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna*.
54
Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany anatin’ny kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe*. Ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo.
55
Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona* manontolo dia nitady zavatra hiampangana an’i Jesosy ka hamonoany Azy ho faty, nefa tsy nahita.
56
Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fanambaràny.
57
Dia nitsangana ny sasany ka niampanga lainga Azy hoe:
58
Izahay nandre Azy niteny hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity ary amin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59
Tsy nifanaraka anefa ny filazany na dia tamin’izany aza.
60
Dia nitsangana ny Mpisoronabe* ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
61
Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy*, Zanaky ny Isaorana?
62
Dia hoy Jesosy: Izaho no Izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’Olona* mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eny amin’ny rahon’ny lanitra.
63
Ary nandriatra ny fitafiany ny Mpisoronabe ka nilaza hoe: Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona?
64
Efa renareo ny fitenenan-dratsy ka ahoana ny hevitrareo? Dia nanameloka Azy ho mendrika ho faty izy rehetra.
65
Ary nanomboka nandrora Azy ny sasany dia nanarona ny tavany sady namely tehamaina Azy ka niteny hoe: Maminania! Ary namely Azy tamin’ny tehamaina koa ireo mpiandry raharaha.
66
Ary raha mbola teo ambany, teo an-kianja i Petera, dia avy ny iray tamin’ny ankizivavin’ny Mpisoronabe.
67
Nony nahita an’i Petera namindro izy dia nijery azy ary niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’Ilay Nazareana atao hoe Jesosy.
68
Nandà anefa izy ka niteny hoe: Sady tsy fantatro no tsy azoko ny teninao. Dia nandeha nankany ivelany ho any amin’ny vavahady izy, ary nisy akoho naneno tamin’izay.
69
Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo.
70
Fa mbola nandà indray izy. Nony afaka kelikely, ireo izay nanatrika teo, dia niteny indray tamin’i Petera hoe: Marina mihitsy fa anisan’ireny ianao; fa Galiliana koa ianao.
71
Dia niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16