bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Mark 15
Mark 15
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
1
Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna* mbamin’ny Sinedriona* manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato.
2
Ary nanontany Azy i Pilato hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy*? Dia namaly azy Izy hoe: Voalazanao.
3
Ary ireo lehiben’ny mpisorona dia niampanga Azy tamin-javatra maro.
4
Dia nanontany Azy indray i Pilato hoe: Tsy manan-kavaly akory va Ianao? E izao hamaroan’ny zavatra iampangan’izy ireo Anao izao!
5
Fa tsy namaly intsony Jesosy na dia indraimbava aza, hany ka gaga i Pilato.
6
Ary isaky ny andro firavoravoana dia manafaka mpifatotra iray izay angatahin’ny vahoaka izy.
7
Ary nisy iray, ilay antsoina hoe Barabasy, niara-nifatotra tamin’ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
8
Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka an’i Pilato hanao araka izay fanaony aminy.
9
Fa namaly azy ireo i Pilato hoe: Tianareo va raha ny Mpanjakan’ny Jiosy* no hafahako ho anareo?
10
Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo lehiben’ny mpisorona Azy.
11
Fa nanome fo ny vahoaka ireo lehiben’ny mpisorona fa aleo, hoy izy ireo, i Barabasy no hafahan’i Pilato.
12
Dia hoy indray i Pilato: Koa inona ary no hataoko amin’ilay ataonareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy?
13
Dia niantsoantso indray ny vahoaka hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!
14
Ary hoy i Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ireo ka niteny hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!
15
Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana.
16
Ary ireo miaramila dia nitondra an’i Jesosy ho ao anatin’ny kianja izay ao anaty rova sady nanangona ny miaramila rehetra iray tarika aminy.
17
Ary nampitafy Azy lamba volomparasy izy ireo sady nandrandrana satroka tsilo ho Azy ka nasatrony ny lohany.
18
Dia niarahaba Azy izy ireo hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy*!
19
Ary nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy ireo sady nandrora Azy ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20
Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony. Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.
21
Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.
22
Ary Jesosy dia noentin’ireo teo amin’ny toerana atao hoe Golgota, izany hoe, raha adika, Ikarandoha.
23
Dia notolorany divay miharo miora Izy nefa tsy nety nisotro.
24
Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25
Tamin’ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana.
26
Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: ny mpanjakan’ny jiosy.
27
Ary nisy jiolahy roa nohomboin’izy ireo niaraka Taminy tamin’ny hazofijaliana, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany
28
Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12).
29
Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana,
30
vonjeo ny tenanao ka midìna hiala teo amin’ny hazofijaliana!
31
Ary toy izany koa no faneson’ireo lehiben’ny mpisorona, fa niresaka izy ireo sy ny mpanoradalàna hoe: Namonjy ny sasany Izy fa ny tenany dia tsy hainy vonjena.
32
Aoka ny Kristy*, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.
33
Ary nony tamin’ny ora fahenina dia tonga maizina ny tany rehetra ary naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany.
34
Ary tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka niteny hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?» (Sal 22.2)
35
Ary ny sasany tamin’ireo izay nanatrika teo raha nandre izany dia niteny hoe: Indro, miantso an’i Elia Izy.
36
Ary nisy iray nihazakazaka dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ny vinaingitra ka natohiny tamin’ny volotara izany dia natohony hotsentsefin’i Jesosy ary hoy izy: Avelao ho hitantsika na ho avy hampidina Azy i Elia na tsia.
37
Jesosy anefa niantso tamin’ny feo mahery dia afaka ny ainy.
38
Ary ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39
Ary ny kapiteny izay nanatrika nanandrify Azy, raha nahita fa toy izany no nahafaka ny ainy, dia niteny hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.
40
Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny ary isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba kely, ary i Josesy sy i Salome;
41
ireo dia nanaraka Azy ka nanompo Azy fony Izy tany Galilia; tao koa ireo vehivavy maro izay niara-niakatra Taminy tany Jerosalema.
42
Nony hariva ny andro, satria andro fiomanana, dia ny andro alohan’ny Sabata*,
43
dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja izay isan’ny Sinedriona* sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy niditra tao amin’i Pilato izy nangataka ny fatin’i Jesosy.
44
Ary gaga i Pilato raha maty sahady Jesosy ka niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy raha efa ela ny nahafatesany.
45
Ary rehefa nandre tamin’ilay kapiteny izy dia nomeny malalaka an’i Josefa ny faty.
46
Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy.
47
Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16