bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Mark 5
Mark 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 6 →
1
Ary tonga teny ampitan’ny ranomasina tao amin’ny tanin’ny Geraseniana izy ireo.
2
Nony niala teo an-tsambokely Izy, avy hatrany dia nifanena Taminy avy tany amin’ny fasana ny lehilahy iray, azom-panahy maloto.
3
Teny amin’ny fasana izy io no nitoetra ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny rojo vy aza.
4
Fa efa nafatotra matetika tamin’ny rojo vy, na ny tanany, na ny tongony; nefa notapahiny ny rojo vy tamin’ny tanany, ary ny rojo vy tamin’ny tongony dia notorotoroiny ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
5
Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato.
6
Fa nony nahatsinjo an’i Jesosy teny lavitra teny izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
7
sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Mangataka Aminao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza mampijaly ahy!
8
Satria hoy Jesosy taminy hoe: Mialà amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto!
9
Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary hoy izy: Legiona no anarako, satria maro izahay.
10
Ary nifona mafy Taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany faritany izany.
11
Ary nisy andian-kisoa maro, izay niraoka ahitra teny akaikin’ny tendrombohitra.
12
Ary nifona Taminy ireo fanahy maloto ka niteny hoe: Alefaso izahay ho eny amin’iretsy kisoa iretsy mba hiditra any anatiny.
13
Dia neken’i Jesosy izany. Ary ny fanahy maloto, rehefa niala tamin’ilay lehilahy, dia niditra tao anatin’ireo kisoa; ary ilay andian-kisoa, izay tokony ho roa arivo ny isany, dia nitratrevatreva teny amin’ny hantsana nankany amin’ny ranomasina ka maty sempotra tany anatin’ny ranomasina ireo.
14
Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
15
ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona.
16
Ary ireo izay nahita dia nitantara tamin’ny olona izay zava-nitranga tamin’ilay demoniaka sy ny amin’ny kisoa.
17
Ary nifona tamin’i Jesosy izy ireo mba hialany amin’ny faritaniny.
18
Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy.
19
Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20
Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zava-dehibe efa nataon’i Jesosy taminy. Dia gaga ny olona rehetra.
21
Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny ampita dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy. Ary teo amoron-dranomasina Izy.
22
Dia avy ny mpanapaka ny sinagoga* iray, Jairo no anarany. Rehefa nahita an’i Jesosy izy dia niankohoka teo an-tongony
23
ka niangavy fatratra Taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy kely; andeha re, apetraho aminy ny tananao, mba ho sitrana izy ka ho velona.
24
Dia nandeha niaraka taminy Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanizina Taminy.
25
Ary nisy vehivavy iray izay efa narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona
26
sady efa niaritra zavatra be tamin’ny mpitsabo maro ka nandany ny fananany rehetra nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka niha narary kokoa aza.
27
Rehefa nahare ny amin’i Jesosy izy dia nankao aorianany namakivaky ny vahoaka ary nikasika ny akanjony.
28
Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko dia ho sitrana aho.
29
Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
30
Ary teo no eo dia fantatr’i Jesosy fa nisy hery niala Taminy ka nihodina teo afovoan’ny vahoaka Izy sady niteny hoe: Iza izany nikasika ny akanjoko izany?
31
Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanositosika Aminao izao, koa hoy Ianao hoe: Iza no nikasika Ahy?
32
Ary nijery manodidina Izy hahitany ilay nanao izany.
33
Dia raiki-tahotra sady toran-kovitra Ravehivavy satria fantany izay nitranga taminy, koa nankeo Aminy izy sady niankohoka teo anatrehany ary nanambara Taminy ny marina rehetra.
34
Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao.
35
Raha mbola niteny Jesosy dia nisy olona tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka nilaza hoe: Efa maty ny zanakao vavy; koa nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36
Tsy nahoan’i Jesosy anefa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
37
Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba.
38
Dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny sinagoga izy ireo ka hitan’i Jesosy ny fikotaban’ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39
Rehefa niditra Izy dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mikorontana sy mitomany? Tsy maty Razazavavy fa matory.
40
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.
41
Dia nandray ny tanan’ilay zaza Izy ka niteny taminy hoe: Talita komỳ, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Aho aminao: Mitsangàna!
42
Dia nitsangana niaraka tamin’izay Razazavavy ka afaka nandeha; fa efa roa amby folo taona izy. Dia talanjona indrindra ny olona.
43
Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16