bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Numbers 22
Numbers 22
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
1
Niainga indray ny Zanak’Israely ka nitoby tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, tany andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.
2
Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.
3
Raiki-tahotra indrindra ny Moabita teo anatrehan’ny olona satria maro be izy; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’Israely.
4
Dia hoy izy tamin’ny loholon’ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto, tahaka ny firaokan’ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. I Balaka zanak’i Zipora moa no mpanjakan’i Moaba tamin’izany fotoana izany.
5
Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko.
6
Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona.
7
Dia nandeha ireo loholon’ny Moabita sy ireo loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy teny an-tanany. Dia nankany amin’i Balama izy ireo ka nilaza taminy ny tenin’i Balaka.
8
Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.
9
Ary Andriamanitra nankao amin’i Balama ka niteny hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
10
Dia hoy i Balama tamin’Andriamanitra: I Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, no nandefa iraka tatỳ amiko ka niteny hoe:
11
Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Ejipta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
12
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy na manozona izany firenena izany fa voatahy izy.
13
Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho.
14
Dia niainga ireo andriandahin’i Moaba ka tonga tany amin’i Balaka ary nilaza hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay i Balama.
15
Ary mbola naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo i Balaka.
16
Dia tonga tao amin’i Balama ireny ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’i Balaka, zanak’i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17
fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa miangavy anao, mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io!
18
Namaly an’ireo mpanompon’i Balaka anefa i Balama hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO Andriamanitro na handatsaka na hampihoatra.
19
Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina mba ho fantatro izay mbola holazain’NY TOMPO amiko.
20
Nony alina dia nankao amin’i Balama Andriamanitra ka niteny taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21
Dia nifoha maraina i Balama ka nanisy lasely ny borikiny, ary nandeha niaraka tamin’ireo andriandahin’i Moaba.
22
Nirehitra taminy anefa ny fahatezeran’Andriamanitra satria nandeha izy; ary ilay Anjelin’NY TOMPO* nijoro teo an-dalana mba hisakana azy. Ary i Balama dia nitaingina ny borikiny ary niaraka taminy ny zatovony roa lahy.
23
Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.
24
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijanona tao amin’ny lalan-tery teo anelanelan’ny tanim-boaloboka; nisy fefy teo an-daniny roa.
25
Ary nahita ilay Anjelin’NY TOMPO ny boriky dia niampify teo amin’ny rindrina ka nanery ny tongotr’i Balama tamin’ny rindrina. Dia nikapoka azy indray izy.
26
Dia mbola nandroso ilay Anjelin’NY TOMPO ka nijanona teo amin’ny toerana ety, izay tsy nisy hiviliana, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.
27
Ary nahita ilay Anjelin’NY TOMPO ny boriky ka nandry teo ambanin’i Balama. Dia nirehitra ny fahatezeran’i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ny tehina izy.
28
Dia nosokafan’NY TOMPO ny vavan’ny boriky ka hoy ny boriky tamin’i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao fanintelony aho izao?
29
Dia hoy i Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao! Raha izao no nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
30
Ary hoy ny boriky tamin’i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia!
31
Dia nampahiratin’NY TOMPO ny mason’i Balama hahita ilay Anjelin’NY TOMPO mijoro eo an-dalana sady mitana ny sabany efa voatsoaka eny an-tanany; dia niondrika tamin’ny tany i Balama.
32
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao.
33
Nahita Ahy ny boriky dia nidify Ahy intelo; raha tsy nidify Ahy izy dia ianao mihitsy no nataoko maty, fa izy kosa dia ho novelomiko!
34
Dia hoy i Balama tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Efa nanota aho satria tsy fantatro fa Ianao no nijoro nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izao diako izao, dia hiverina aho!
35
Hoy anefa ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha i Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka.
36
Nony ren’i Balaka fa tonga i Balama dia niainga izy mba hitsena azy teo amin’ilay tanànan’i Moaba, teo amoron’i Arnona izay mamaritra ny sisintaniny.
37
Ary hoy i Balaka tamin’i Balama: Tsy efa nandefa iraka tany aminao nampaka anao tokoa va aho? Koa nahoana no tsy nankaty amiko ianao? Tena tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
38
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa moa mahazo milaza na inona na inona va aho? Ny teny izay hataon’Andriamanitra ato am-bavako, dia izany ihany no holazaiko.
39
Dia nandeha niaraka tamin’i Balaka i Balama ka tonga tany Kiriata-Hozota izy roa lahy.
40
Ary namono omby sy ondry aman’osy i Balaka ka nisy nampanateriny ho an’i Balama sy ireo andriandahy izay teo aminy.
41
Nony maraina dia nalain’i Balaka i Balama ka noentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, ary tazany avy teo ny tapany amin’ny toby.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36