bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Numbers 8
Numbers 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Mitenena amin’i Arona hoe: Rehefa mampirehitra ny jiro fito ianao dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro ireo.
3
Dia nataon’i Arona izany ka nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
4
Izao no nanaovana ny fitoeran-jiro: Volamena voatefy, koa hatramin’ny faladiany sy ny voniny aza dia samy voatefy avokoa; araka ny endrika izay nasehon’NY TOMPO an’i Mosesy no nanaovany ny fitoeran-jiro.
5
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
6
Alao ireo levita* avy amin’ny Zanak’Israely ka diovy.
7
Izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana amin’ny ota izy, asaivo haratany avokoa ny tenany manontolo, ary aoka hosasany ny fitafiany ka hadio izy.
8
Dia asaivo maka vantotra ombilahy iray izy, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotra ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
9
Ento ny levita hankeo anoloan’ny tranolay fihaonana*; dia vorio ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo.
10
Ento ny levita hankeo anatrehan’NY TOMPO ka ny Zanak’Israely dia hametraka ny tanany aminy;
11
ary i Arona dia hanao ny levita ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanaovan’izy ireo ny fanompoana NY TOMPO.
12
Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita.
13
Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo.
14
Avaho amin’ny Zanak’Israely ny levita, dia ho Ahy ny levita.
15
Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy.
16
Fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ny Zanak’Israely mihitsy izy ireo; mba ho solon’izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely no nanalako azy ho Ahy.
17
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy.
18
Efa nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely ny levita.
19
Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo.
20
Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo dia nanatanteraka tamin’ny levita izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita. Araka izany no nataon’ny Zanak’Israely taminy.
21
Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy.
22
Rehefa vita izany dia niditra hanao ny fanompoana tao amin’ny tranolay fihaonana ny levita, teo anatrehan’i Arona sy teo anatrehan’ireo zanany; araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita no nataony taminy.
23
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
24
Ny amin’ny levita dia izao: Hatramin’ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra izy ireo no hanatona, hilatsaka amin’ny antokony, hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana;
25
rehefa dimampolo taona kosa izy dia hiala amin’ny antokon’ny fanompoana ka tsy hanompo intsony.
26
Hanampy ny rahalahiny ao amin’ny tranolay fihaonana ihany izy mba hitandrina raharaha; fa tsy hanao ny tena fanompoana akory. Izany no hataonao amin’ny levita ny amin’ny anjara raharahany.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36